mercredi 17 octobre 2012

NY MPANJAKA ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA LAHIMATOAN' IMERINA :


FAMINTINANA NY KABARY TAMIN' NY FANKALAZANA NY FAHA-450 TAONA NAHATERAHAN' NY MPANJAKA ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA TAO AMBOHIMALAZABE:

Tsarava tompoko ny Andriana!

Ny teninay voalohany etoana dia ny FISAORANA sy FANKASITRAHANA an'ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY, Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany, ary namorona ny Fianakaviana Andriana sy ny Fiandrianana! Betsaka no azo tantaraina mikasika ny Tantaran' ny Andriana eto Madagasikara, indrindra mikasika ny Mpanjaka Andriantompokoindrindra nanjaka tao Ambohimalazabe. Ary tiana ho marihina fa ny manosika antsika handalina ny tantara dia ny Fitiavana ny razana nipoirana, ny Fitiavana ny soa navelan' ny razana, ny Fitiavana ny mpiray tanindrazana, ny Fitiavana hanasoa ny tanin' ny razana, ny Fitiavana hampandroso ny firenena, ary indrindra indrindra ny Fitiavana an'Andriamanitra Andriananahary!

Koa ho antsika tia hahafantatra ny tantaran' ny vohitra nihaviana sy ny tantaran'I Madagasikara, tia hanaja hatrany ny soatoavina, tia ny firaisankina, tia fandrosoana: Ny lasa hono tsy fanadino, ny ankehitriny atrehina, ary ny ho avy banjinina! Noho izany, ao isika Teraky ny Tranofohiloha, aza miova fenitra amin'ny hafatra navelan' ny razambe nipoirana! Ary araka ny ohabolana manao hoe: Tehatehaka hono an' Ambodisiny fa Ambohimalaza no Tompon' ny gora! Maro no azo lazaina, fa famintinana ny tantara ihany no ho lazaina manaraka eto. Ary mankasitraka sy mankatelina manokana ireo Zanakandriana sady zokiolona mihoatra ny enim-polo taona ka hatramin' ny zato taona mahery, mi-isa fitopolo, ao amin' ny Fianakaviana Ny Andriandriatompokoindrindra, izay nanome am-pitiavana sy nampita mivantana ny tsiambaratelo mikasika ny Tantaran'Andriantompokoindrindra.

Iza moa ny MPANJAKA ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA tao AMBOHIMALAZABE?

1) Ny rainy: Ny Mpanjaka Ralambo avy ao Ambohidrabiby: Ny Mpanjaka RALAMBO (1575-1600) izay nanjaka tao Alasora sy Ambohidrabiby Hasin'Imerina no rainy. Izy dia zanaky ny Mpanjaka ANDRIAMANELO tao Alasora sy Ny Andriambavy IMAINTSOANALA niova anarana ho RANDAPAVOLA tao Ambohidrabiby Hasin'Imerina. Ny Mpanjaka RALAMBO moa dia zafikelin' ny Mpanjakavavy RAFOHY tao Alasora.

2) Ny reniny: Ny Andriambavy Rabehavina avy ao Ambatomanitrasina: Ny reniny dia Ny Andriambavy RABEHAVINA, niova anarana hoe RATOMPOKOAMANDRAINY na koa hoe RAFOTSIMAROHAVINA, Andriambavy tsara tarehy, fotsifotsy, zanaky Ny Mpanjaka Andriamamilazabe I tao Ambatomanitrasina, ary zafin'anabavin' Ny Mpanjaka RABIBY tao Ambohidrabiby Hasin'Imerina. Mpihavana akaiky ihany Rabehaviana reniny sy Ralambo rainy, satria ny Mpanjaka Rabiby dia raiben' ny Mpanjaka Ralambo ihany.

3) Ny vadiny: Nanambady voalohany izy, Andriambavy avy ao Alasora, izay havany akaiky ihany, ary novadiany tamin' izy nonina tao Ambohidrabiby Hasin'Imerina. Avy eo Andriantompokoindrindra nandeha nonina tany Ambohimalaza, izay tany nahaterahany. Nanana vady faharoa koa izy taty aoriana dia ny Andriambavy RAVOLOLONANDRIANA, zanaka vavitokan' ny Mpanjaka ANDRIAMIHODIDINARIVO nanjaka tany amin' ny Fanjakany tao Angavo.

4) Ny zanany telo mirahalahy: Niteraka Zanakandriana telo mirahalahy izy dia RATOMPOINDRAONDRIANA sy ANDRIANDAMBO ary ANDRIAMAHATSIRAVINA. Avy amin' ny taranak' izy telo mirahalahy no nipoiran' ny mpanjaka eto Imerina sy ny Mpanjakan' i Madagasikara hatramin'ny Mpanjaka RANAVALONA III (1883-1896).

5) Ny raibeny: Ny Mpanjaka Andriamanelo avy ao Alasora sy Ny Mpanjaka Andriamamilazabe I avy ao Ambatomanitrasina: Ny Mpanjaka ANDRIAMANELO, zanaky ny Mpanjaka RAFOHY tao Alasora no raibeny avy amin'ny rainy. Ny Mpanjaka ANDRIAMAMILAZABE I no raibeny avy amin' ny reniny. Araka ny tantara dia niara-belona ny Mpanjaka ANDRIAMAMILAZABE I sy ny Mpanjaka Andriamanelo, ary nahita sy nahatratra an-dRalambo izy. Indray andro, nitady vonjy tamin' ny Mpanjaka Andriamamilazabe tao Rangaina ny Mpanjaka Ralambo satria nisy doro-tanety niparitaka hatraiza hatraiza teto Imerina, ary tsy nety nijanona, vokatry ny hain-tany nandritra ny herintaona sy tapany. Noho ny fahaizana sy ny fahendren' ny Mpanjaka Andriamamilazabe I dia avy ny orana nandritra ny andro maro ka maty ny afo. Nanomboka teo no tena nifankazahoan' izy mirahalahy, ka ny Mpanjaka RALAMBO dia nanambady ny Andriambavy RABEHAVINA zanak' Andriamamilazabe I sy zafin'anabavin' ny Mpanjaka RABIBY tao Ambohidrabiby Hasin'Imerina.

6) Ny renibeny: Ny Andriambavy RAMAINTSOANALA, niova anarana ho RANDAPAVOLA nony nanambady na koa hoe RASOLOBE, izay zanaky ny Mpanjaka RABIBY tao Ambohidrabiby Hasin'Imerina no renibeny avy amin' ny rainy. Ny renibeny avy amin' ny reniny kosa dia zanak'anabavin-dRabiby avy amin' ny Terak'Andrianoranorana.

7) Ny anabaviny: Ny Andriambavy RAVAOMASINA no anabaviny, iray tampo iray sy iray reny aminy. Mbola nanana anabavy hafa koa izy, toa ny Andriambavy RAVOLOLONDRALAMBO, zanaky ny Mpanjaka RALAMBO tamin' ny Andriambavy Ratsitohinimanjakanalondrano vadiny faharoa.

8) Ny rahalahiny: Ny Mpanjaka ANDRIANJAKA (1615-1630) nonina tao Ambalanirana ary nanjaka tao Antananarivo taty aoriany no anisan' ny rahalahiny fa tsy iray reny aminy. Zanaky ny Mpanjaka RALAMBO tamin' ny Andriambavy RATSITOHINIMANJAKANALONDRANO izy. Ary mbola nànana rahalahy hafa reny koa izy ankoatra an'ANDRIANJAKA. Ny Mpanjaka Ralambo dia nanambady Ny Andriambavy RATOMPOANDRIAMBAVY avy ao Alasora, teraky ny Andriana Andrianamponga II, anadahin' ny Mpanjaka Rafohy, ka niteraka ny Zanakandriana, toa an'ANDRIAMPANARIVOMANGA ao Lazaina, ANDRIAMASOANDRO ao Manandriana-Avaradrano, ANDRIANTOMPOMBE ao Ambatofotsy-Avaradrano, ANDRIAMPONTANY ao Soavinimerina, RAFIDY ao Ambohidrano-Atsinanana, ANDRIANTSINOMPO ao Ankadindravololona...

9) Ny iray tampo amin' ny rainy: Ny Mpanjaka Ralambo rainy dia nànana ireto rahalahiny ireto: Ny Zanakandriana RAMASY sy ny Zanakandriana RANORO ary ny Zanakandriana RATRIMOTOMPONIBEMIHISATRA izay nanambady ny Andriambavy Rafotsizinandriamanitra.

10) Ny iray tampo amin' ny reniny: Ny Mpanjaka Andriamamilazabe I tao Ambatomanitrasina, dia niteraka itreto Zanakandriana ireto: IRINGITRA vavimatoa izay miafina ao Imampidongy avaratr'Ambatomanitrasina, RAMANITRASINA lahimatoa izay nandova ny fanjakana any Ambatomanitrasina, ANDRIANKIMBORILAVAHOHO lahiaivo izay miafina ao avaratr'Ambatomanitrasina, RABEHAVINA vaviaivo sady renin'Andriantompokoindrindra ary nandova ny fanjakana any Ambohimalazabe, ary ANDRIANDRANANDO faralahy, izay nandova tany Ambohimailala sy Ambohibe ary Ambohimahitsy.

11) Ny toerana nahaterahany: Teraka tao Ambohimalaza tao amin' ilay toerana atao hoe Morarano izy, izay novaina hoe Ambohimanjaka, tamin' ny fandalovan' ny mpanjaka RALAMBO nipetraka tsy ela tao Ambohimalaza raha avy any Alasora (Imerina Atsimo na Atsimondrano) ka handeha ho any Ambohidrabiby (Imerina Avaratra na Avaradrano). Izy no Lahimatoan' ny Andriana, indrindra amin' ny Zanakandriana nateraky ny mpanjaka RALAMBO rehetra.

12) Ny fahatanoràny: Nonina tany Ambohidrabiby Hasin'Imerina niaraka tamin'ny Mpanjaka Ralambo rainy izy sy ireo rahalahiny sy anabaviny, ary nifankatia be izy sy Andrianjaka zandriny. Avy eo izy dia nifindra tany Ambohimalazabe nony efa lehibe.

13) Ny fahanterany: ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA dia ela niainana sy tratra antitra. Efa niamboho ireto mpanjaka nifandimby tao Antananarivo ireto: Andrianjaka (1610-1630), Andriantsitakatrandriana (1630-1650), Andriantsimitoviaminandriandehibe (1650-1670) ary efa teraka tao Ambohitsaratany-Ambohimalaza ny zafiafiny atao hoe Andriamasinavalona lasa mpanjaka taty aoriana, vao niamboho izy.

14) Ny toetra nampiavaka azy: ANDRIANTOMPOKINDRINDRA dia lehilahy naranin-tsaina, feno fahalalàna sy fahaizana ary fahendrena. Izy dia nomen'Andriandriamanitra TALENTA FITO, toy ny fahaizana mandinika ny zava-boary, ny fahalalàna ny toetr'andro, ny nitsinjo lavitra ny ho avin' ny taranaka aty aoriana, ary koa nandresy ireo fahavalo nifanandrina taminy amin'ny ady. Izy koa dia tena olona ara-panahy ary nànana fifandraisana manokana sy mivantana tamin'Andriamanitra Andriananahary Mpanao ny Lanitra sy ny Tany, toe-panahy izay nolovàny tamin' ireo razambe nipoirany. Izy dia nànana talenta manokana ihany koa teo amin' ny kolotsaina sy ny hai-kanto.

15) Ny zavatra mampiavaka azy: Maro ny zavatra mampiavaka ny Mpanjaka ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA tao Ambohimalazabe: Izy no TOMPON'NY FISORONANA dia ny fanaovana fivavahana mivantana amin'Andriamanitra. Izy no TOMPON'NY TRANOMASINA eo ambony fasan' ny mpanjaka sy TOMPON'NY TRANOMANARA eo ambony Fasan'Andriana mpandova fanjakana eto Imerina. Marihina fa ny Tranomasina sy ny Tranomanara, izay lazaina ihany koa hoe Tranofohiloha, dia nolovàny tamin' ny razambeny, avy amin' ny dadabeny Ny Mpanjaka Andriamamilazabe I avy ao Ambatomanitrasina.

Izy koa no TOMPON'NY DIHY SORATRA natokana ho azy sy ny terany, izay Dihy Masina sy dihy tranainy indrindra eto Imerina sy eto Madagasikara, ary dihy mifono hevi-dalina. Izy ihany koa no TOMPON' NY FANORONA izay misy tsiambaratelo avy amin' ny razambeny.

Izy koa dia TOMPON'NY TENY satria ny mananjoky hono afa-kolan-teny ary ny manan-jandry afa-kolan'entana. Izy ihany koa dia TOMPON'NY KABARY nolovàny tamin' ny razambeny.Ary ny fianakaviana Andriantompokoindrindra dia tsy mahazo miala-tsiny raha handray fitenenana, satria tompony fa tsy mpamerin-doha.

Izy koa dia TOMPON' NY FOMBAN'ANDRIANA sy MPITAHIRY SOATOAVINA maro, izay nolovàny avy amin'ireo razambeny. Anisan' izany ohatra ny Hasoavana, ny Fitsofan-drano, ny Fady kisoa sy lambo ary osy, ny Fifanarahana mikasika ny fitondram-panjakana nifanaovany tamin'Andrianjaka, ny Tranofitomiandàlana ao Ambohimalazabe eo avaratry ny fasany, ny tsy miditra amam-paty na tsy mikasi-paty, ny ala-faditra sy ny solon-tsavony, ny tsy mahazo mivarotra fiandrianana, ary tsy mahazo mivarotra tanindrazana amin'ny mpihavy fa tsy maintsy hifandovana ao amin' samy fianakavian' Ny Andriantompokoindrindra irery ihany. Raha bangoina amin' ny teny fohy dia Andriantompokoindrindra dia Lahimatoa mpitahiry ny fomban amam-panaon' ny Andriamanjaka eto Imerina.

Raha ny tantara no dinihina sy halalinina dia maro ny OLOMANGA, nahavita soa teto amin' ny firenena, avy ao amin' ny Fianakaviana Ny Andriantompokoindrindra, toa any Ny Andriana RAMAMBA ANDRIAMBAVENTY Lehiben' Ny Andriantompokoindrindra, taranaky ny Zanakandriana Ratompoindraondriana Lahimatoan'Andriantompokoindrindra ary Kristiana voalohany teto Ambohimalaza, Ny Andriana Dokotera Joseph RASAMIMANANA izay Manampahaizana Malagasy Voalohany sy ny Governora RAZAFINDRAZAKA Louis de Gonzague izay niaraka nanoratra Boky mikasika Ny Andriantompokoindrindra, Ny Andriana Governora ANDRIANANTOANDRO izay nangataka ary nahazo ny fanafohànana ny fanandevozana teto Madagasikara, Ny Andriana Joseph RAMANAKAMONJY Mpanao Hai-Loko, Ny Andriana RAMAMONJISOA Teraka na THERACK Mpamoron-kira, ireo Andriana Mahery fo nitolona ho an' ny Fahaleovantenan' I Madagasikara, niady tamin' ny mpanjanatany sy ny forongony, tamin' ny andron' ny Menalamba, ny VVS sy tamin' ny 1947 ary taty aoriana, Ny Andriambavy RAVELOARISOA Madeleine Mpampianatra sy Mpamorona Hiram-pivavahana, ary indrindra Ny Andriana Daniel RATEFY sy Ny Andriana Daniel RALIBERA ary Ny Andriana Cardinal Armand Gaëtan RAZAFINDRATANDRA izay niara-nivavaka voalohany ho an' ny Firaisan' ny Kristiana rehetra manerana an' I Madagasikara.

Fanamarihina: Avy amin' ny taranaky ny Mpanjaka Andriantompokoindrindra Lahimatoan' Imerina sy ny Mpanjaka Andrianjaka, avokoa ireo mpanjaka taty aoriana teto Imerina. Ary tsy maintsy Andriandahy, manana ray na reny Andriantompokoindrindra mivantana, miampy ny ilany avy amin'Andrianjaka, vao afaka manjaka eto Imerina sy eto Madagasikara.

Tamin' ny andron' Ny Mpanjaka Andriantompokoindrindra dia efa nifanerasera sy nanamafy ny firaisankina tamin' ny foko maro teto Madagasikara izy. Notohizan' ny tarànany izany mandraka ankehitriny. Ary maro ny toerana mitondra ny anarana Ambohimalaza napetrak'izy ireo manerana ny Nosy. Ary ny Fianakaviana Andriantompokoindrindra ankehitriny dia manatevina hatrany koa ny Fifankatiavana sy ny Firaisankina amin' ny Andriana manerana ny Nosy sy manerana ny tany.

Fehiny: Ny Tantaran' ny Mpanjaka ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA dia ahitana fa manana tantara mazava tokoa izy. Isaorana etoana ny Andriandehibe rehetra, indrindra ireo mbola niaina tamin' ny Taonjato faha-19 nampita ny tantara sy lovan-tsofina efa tamin' ny Taonjato faha-16 sy faha-17 ary ny tany aloha rehetra tany, ho an' ny taranaka rehetra aty aoriana.

Eto am-pamarànana dia tianay ny manamafy fa NY ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA tsy miavona fa manaja kosa ny soatoavina navelan' ny razana! Ary Andriana tokana hono tsy iaraha-monina. Koa ny firaisankina no hery! Ary ny hery tsy mahaleo ny fanahy! Ary ny Fanahy no maha-olona! Koa hirariana isika rehetra hitombo an-dàlana hoatra ny dian'andriana, hampandroso ny tanindrazana sy ny firenena! Noho izany, mahaleova mahalasàna daholo! Ary mitso-drano antsika rehetra, amin' ny anaran' ny Andriamanitra Andriananahary: Ny Andon' ny Lanitra sy ny Tsiron' ny Tany anie ho amintsika rehetra sy ny fianakaviana manontolo!

Ambohimalaza, Vohitra masina 26 Aogositra 2006.

© Prince Dr. Ndriana RABARIOELINA.
Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara.