tag:blogger.com,1999:blog-3884078554839149089.post297390347611879003..comments2020-12-13T13:04:45.913-08:00Comments on FIANAKAVIAMBEN 'NY ANDRIANA MERINA : NY LAPAN' I MANJAKAMIADANA MARIKY NY FIANDRIANAM-PIRENENA DIA TSY MAINTSY MIJORO SY HAMIRAPIRATRA INDRAY !FANJAKAN' I MADAGASIKARAhttp://www.blogger.com/profile/03152601642751135203noreply@blogger.comBlogger1125tag:blogger.com,1999:blog-3884078554839149089.post-21704826668315558032012-11-07T11:11:39.897-08:002012-11-07T11:11:39.897-08:00: FANAMBARANA MIKASIKA NY LAPAN' I MANJAKAMIAD...: FANAMBARANA MIKASIKA NY LAPAN' I MANJAKAMIADANA:

Ny Ny FIHAONAMBEN' NY AMPANJAKA SY ZANAKANDRIANA ETO MADAGASIKARA dia manao izao fanambarana izao :

1) Manameloka tanteraka ireo nampandoro sy nandoro ny Rovan'Antananarivo tamin' ny 06 Novambra 1995, tamin' ny lasantsy kerozene. Ary tokony ho helohina izay rehetra naha-vanon-doza nanao izany, fa tsy azo homena famotsoran-keloka na "amnistie" !

2) Tokony hatao lahara-pahamehana ny fiarovana ny vakoka sy ny kolotsaina ary ny soataovina eto Madagasikara. Ao anatin' izany dia tokony hatao lahara-pahamehana ny fanamboarana ny Rovan' ny Ampanjaka rehetra manerana an' i Madagasikara !

3) Tokony harotsaka amin' ny fiarovana ny vakoka sy ny soatoavina ary ny kolotsaina ny am-paha-folo (10%) ny famatsiam-bola rehetra miditra sy ny harena miditra na mivoaka eto amin' ny firenena, indrindra ireo harena avy amin' ny orinasa mitrandraka solika, vatosoa, illmenite, nickel, cobalt sy ny sisa rehetra !

4) Tokony vitaina haingana ny Fanamboarana ny Rovan'Antananarivo, izay mariky ny Fahaleovantenam-pirenena sy ny Firaisam-pirenena ary ny Fiandrianam-pirenena, ary ao anaty Fanajàna tanteraka ny soatoavina sy ny kolotsaina malagasy.

Noho izany, tokony orinasa malagasy izay tantànan' ny malagasy no manao ny fanamboarana rehetra amin' ny Rovan'ny Mpanjaka rehetra, indrindra ny Rovan'Antananarivo !

5) Miantso ny malagasy rehetra manerana ny Nosy mba hiaro ny tanin' ny razana , ny tenin-drazana, ny vakoka sy ny kolotsaina ary ny soatoavina malagasy, maha-izy azy antsika, ary indrindra koa ny harenam-pirenena mba tsy ho lasan' ny vahiny intsony !

6) Manao antso avo izay rehetra manana vakoka sy harena sarobidy tao amin' ny Rovan'Antananarivo sy tao amin' ny toerana hafa, mba hamerina izany, indrindra ny Satroboninahitry ny Mpanjaka Ranavalona, satria fanànan' ny firenena iray manontolo ireny !

7) TANY MASINA I MADAGASIKARA!

Ho an' Andriamanitra Andriananahary irery ihay ny Voninahitra !

Manjakamiadana,
Antanananarivo, Vohitra Masina,
Faha-06 novambra 2012.

N.A. Rev. Dr. Ndriana RABARIOELINA,
Filohan' ny Fihaonamben' ny Ampanjaka sy Zanakandriana eto Madagasikara.
FANJAKAN' I MADAGASIKARAhttps://www.blogger.com/profile/03152601642751135203noreply@blogger.com