mardi 12 juillet 2022

FANAMBARANA MIKASIKA NY SOLIKA

RY MPIRAY TANINDRAZANA, 


AZO ATAO TSARA NY TSY MAMPAKATRA NY VIDIN' NY SOLIKA ETO MADAGASIKARA. MISY NY VAHA-OLANA. MANANA NY VAHA-OLANA IZAHAY.


DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA !


Antananarivo, faha-11 Jolay 2022.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Avy amin' ny Lahimatoan' Imerina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.



samedi 2 avril 2022

ARAHABA TRATRY NY TAOMBAOVAO MALAGASY 2022!

 "...ITY VOLANA ITY NO HO VOALOHAM-BOLANA HO ANAREO, DIA HO VOALOHAM-BOLANA AMIN' NY TAONA HO ANAREO ...".

SAMBASAMBA ZANAHARY! ARAHABA TRATRY NY TAOMBAOVAO 6022! NY ANDON' NY LANITRA SY NY TSIRON' NY TANY HO AMINAREO REHETRA ! SAMY HO TRATRY NY ARIVO TAONA MITSINGERINA INDRAY ! DIA SAMY HO TAHIN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY HATRANY! Vita soa amantsara ny Fankalazana an' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY ny andro voalohany amin'ny volana voalohany amin' ny TAOMBAOVAO 6022 izay natao tao AnerinerinaToerana Masina, izay nisy ny MPANJAKA ANDRIANERINERINA LAHIMATOAN' IMERINA (c.1275-1300 AD) Mpanjaka Merina voalohany teto Avaradrano Zokin' Imerina ary razamben' ny Mpanjaka sy andriana Merina rehetra sy ireo Mpanjakan' i Madagasikara. Notanterahina ny Fotoam-pivavahana izay nisy Fizarana ny Tenin' ILAY MPAHARY, nataon' ny Raiamandreny ara-panahy Zokiolona 72 Taona, izay manamafy fa FANJAKA-PISORONA sy FIRENENA MASINA ary TARANAKA VOAFIDY manokana ny andriana eto amin' ny Tany sy ny Firenena, eo anatrehan' ILAY MPAHARY ary manana Adidy Masina sy Andraikitra goavana amin' ny Famonjena ny Firenena. Nohamafisina ihany koa ny TENY FIKASAN' ILAY MPAHARY HO AN' I MADAGASIKARA manokana manao hoe "...MITSANGANA, MIHAZAVA, FA TONGA NY FAHAZAVANAO, ARY NY VONINAHITR' ILAY MPAHARY EFA MIPOSAKA AMINAO..." Nisy koa ny Fanazavana ny Tantara miafin' i Madagasikara, Tany Fototra, izay Tantara mihoatra ny 6000 Taona mahery, hatrany amboalohany, nanomboka tamin' ny Olombelona voalohany ka mandraka ankehitriny. Nisy koa ny Vavaka manokana ho Famonjena ny firenena ary ny Fitondrana am-bavaka sy Tsodrano manokana nataon' ny Andriana Raiamandreny ara-panahy Zokiolona 75 Taona ho an' ny MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA, avy amin' ny Lahimatoan' Imerina, Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara, eo amin' ny Adidy Masina izay nasain' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY ataony, teo anatrehan' ireo Andriana Solontena avy amin' Imerina Enitoko. Avy eo dia nisy ny Tsidibohitra ny Toerana Masina Anerinerina, misy Ny MPANJAKA ANDRIANERINERINA loharanon' ireo Mpanjaka Merina rehetra eto Imerina Eni-Toko, sy ny Fanazavana fa MPANJAKA mi-isa Folo, izay MPANJAKA MERINA sy MPANJAKAN' I MADAGASIKARA, no nipoitra teto amin' ireo Vohitra masina manodidina teto. Nisy koa ny fitazànana ny Dobo Masina ao Andranonandriana izay nitondrana ny rano masina ho an' Anatirova Antananarivo misy an' i Manjakamiadana. Ary natao koa ny TATAO, izay Fihinanana ny VARY TONDRAHAN-DRONONO sy TANTELY ary ny TSO-DRANO, fomba nenti-paharazana efa nandritra ny arivo taona maro nataon' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina, izay notanterahina tao Antananarivo Vohitra masina. DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY ny Voninahitra mandrakizay !

Anerinerina, Ambohimalaza, 01 Aprily 2022.
Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA, avy amin' ny Lahimatoan' Imerina, Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.

mercredi 26 janvier 2022

FANAMBARANA: NY TOERANA AVO HIPETRAHANA. NY TOERANA IVA HAMBOLENA VARY

NY COLISEE DIA MILA HESORINA HAINGANA. NY TELEPHERIQUE MAMPIDIDOZA DIA TSY ILAINA HAPETRAKA ENY AMIN' NY FARITRA MANODIDINA NY ROVA SY ANDOHALOMASINA: 


TENA TSY FANAJANA NY VAKOKA ENY AMIN' NY TOERANA MASINA, ARY TENA FANOTANA FADY TANTERAKA, ARY MAMPIDIDOZA HO AN' NY FIRENENA.    

                                                                                                   FA NY FANKATOAVANA AN' ILAY MPAHARY, NY FANAJANA NY HASINA, NY SOATOAVINA, ARY NY VAKOKA MANAN-TANTARA NO TOKONY ATAO!  


FA TSY NY VAHOAKA EFA NIPETRAKA ENY AMIN' NY TOERANA AVO EFA HATRAMIN' NY RAZAMBENY AN-JATO TAONA SANATRIA NO TADIAVINA HIALA ENY ...!    


NY TOERANA AVO NATAO IPETRAHANA. NY TOERANA IVA NATAO HAMBOLENA VARY SY ZAVA-MANIRY. ARY AOKA IZAY NY FANOTOFANA TANY SY NY FANORENANA TRANO ENY AMIN' NY TANIMBARY SY NY TANY LEMAKA.

                                                                                                                TANY MASINA I MADAGASIKARA !  


DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA !


Antananarivo vohitra masina, faha-25 Janoary 2022.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Avy amin' ny Lahimatoan' Imerina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.

jeudi 16 décembre 2021

NY FIANAKAVIAMBE TSY MANAIKY NY COLISEE SY NY TELEPHERIQUE ETO ANTANANARIVO

 NY FIANAKAVIAMBEN NY ANDRIANA MERINA

 DIA MANAINGA NY OLOMPIRENENA SY NY FIKAMBANANA REHETRA, NY FIANGONANA, NY FIARAHAMONIMPIRENENA, NY VAHOAKA MALAGASY

MBA TSY HANAIKY NY COLISEE SY NY TELEPHERIQUE ETO ANTANANARIVO VOHITRA MASINA.


TANY MASINA I MADAGASIKARA!


Antnananarivo Vohitra Masina, faha-12 Desambra 2021.


Ny Mpanjaka NDRIANA RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.


lundi 8 novembre 2021

ANTSO HO AN' NY FIRENENA (06 NOVAMBRA 2021)

 " MITSANGÀNA, MIHAZAVÀ, FA TONGA NY FAHAZAVANAO, ARY NY VONINAHITR'ILAY MPAHARY EFA MIPOSAKA AMINAO. " (Isaiah 60:1)

ANTSO HO AN'NY FIRENENA :

NY ROVAN' ANTANANARIVO DIA TOERANA MASINA ARY MISY HASINA SY FADY TOKONY HAJAINA.
MILA HESORINA HAINGANA ILAY COLISÉE IZAY TENA FANOTANA FADY TANTERAKA ARY MITONDRA OZONA HO AN' NY FIRENENA.

IZAY REHETRA MPITONDRA NIFANDIMBY KA NANOTA FADY TAO AMIN'NY ROVA ANTANANARIVO
DIA NIONGANA AVOKOA.

MADAGASIKARA DIA FIRENENA ANISAN' NY MANANKARENA INDRINDRA ERANTANY, KANEFA NY VAHOAKA MALAGASY NO ANISAN' NY DIMY MAHANTRA INDRINDRA ERAN-TANY.

ARY VAO MAIKA MITONTONGANA HATRANY NY FARI-PIAINAN' NY VAHOAKA MALAGASY TAO ANATIN' NY 61 TAONA (1960-2021).

NY TANIN' IREO VOANJO TSY AZO KITIHINA, FA NY TANIN' NY MALAGASY AZO ALAINA.
TSY AZO EKENA INTSONY.

MILA FANOVANA TANTERAKA, MILA RAFI-PIARAHAMONINA VAOVAO,
MILA MPITONDRA POLITIKA VAOVAO MANKATOA AN'ILAY MPAHARY,
MANAJA NY SOATOAVINA MALAGASY,
MILA TOMPON'ANDRAIKITRA MARO TENA AVO LENTA, TENA MAHAY, TSY MPANAO KOLIKOLY, TIA TANINDRAZANA, AMIN' NY ANDRAIKITRA AMBONY REHETRA.

MIANTSO NY HERY VELONA REHETRA, INDRINDRA NY FFKM, NY FIANGONANA, NY VAHOAKA MALAGASY, NY FIARAHAMONIM-PIRENENA, NY MPITANDRO FILAMINANA, NY TAFIKA, HIJORO AMIN'NY FAHAMARINANA, MIARAKA AMIN'NY FIANAKAVIAMBEN'NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA, HO FAMONJENA NY FIRENENA.

TANY MASINA I MADAGASIKARA !

DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONiNAHITRA !

Antananarivo Vohitra Masina, 06 Novambra 2021.

Ny Mpanjaka NDRIANA RABARIOELINA,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.

Interview I-BC Télévision Madagascar,
Sabotsy 06 Novambra 2021.

lundi 4 octobre 2021

FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA SY NY AMPANJAKA ISA TSIMIARO III

 FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

AVY AMIN' NY LAHIMATOAN' IMERINA,.
LEHIBEN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA,

TAMIN' NY AMPANJAKA ISA TSIMIARO III, ANTAKARANA, AMPANJAKAN' ANKARABE, FANJAKANA AVARATR' I MADAGASIKARA (FARITRA DIANA sy FARITRA SAVA)

SY NY PRINCE LAZAMANA, MPANDOVA FANJAKANA MAHAFALY, ATSIMON' I MADAGASIKARA,

SY NY PRINCESSE FRANCIA KAMAMY, SAKALAVA MENABE, ANDREFAN' I MADAGASIKARA,

ARY NY SOLONTENA FIANAKAVIAMBEN' NY ANDRIANA MERINA,

HO FANAMAFISANA NY FIHAVANANA SY NY FIFANKATIAVANA ARY NY FIRAISANKINA.

TANY MASINA I MADAGASIKARA !

DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !

FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA SY NY NDREGNONY ANTEMORO RAMAHASITRAKARIVO ARY IREO AMPANJAKA ANTAMBAHOAKA SY AMPANJAKA ANTAGNALA

 FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

AVY AMIN' NY LAHIMATOAN' IMERINA,

LEHIBEN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA,


SY NY NDRENOGNY RAMAHASITRAKARIVO,
AMPANJAKA BÉ AMIN' NY FANJAKANA ANTEMORO,
SY IREO AMPANJAKA ANTAMBAHOAKA ARY AMPANJAKA ANTAGNALA,

HO FANAMAFISANA NY FIHAVANANA SY NY FIRAISANKINA ARY NY FIFANKATIAVANA,

FAMPAHATSIAHIVANA NY TANTARAN' I MADAGASIKARA MANDRITRA NY ENINA ARIVO TAONA MAHERY (+6.000 TAONA): NY LASA, NY ANKEHITRINY, ARY NY HO AVY.

TANY MASINA I MADAGASIKARA !

DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA !


ANTANANARIVO VOHITRA MASINA, FAHA-11 AOGOSITRA 2021.