lundi 4 octobre 2021

FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA SY NY AMPANJAKA ISA TSIMIARO III

 FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

AVY AMIN' NY LAHIMATOAN' IMERINA,.
LEHIBEN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA,

TAMIN' NY AMPANJAKA ISA TSIMIARO III, ANTAKARANA, AMPANJAKAN' ANKARABE, FANJAKANA AVARATR' I MADAGASIKARA (FARITRA DIANA sy FARITRA SAVA)

SY NY PRINCE LAZAMANA, MPANDOVA FANJAKANA MAHAFALY, ATSIMON' I MADAGASIKARA,

SY NY PRINCESSE FRANCIA KAMAMY, SAKALAVA MENABE, ANDREFAN' I MADAGASIKARA,

ARY NY SOLONTENA FIANAKAVIAMBEN' NY ANDRIANA MERINA,

HO FANAMAFISANA NY FIHAVANANA SY NY FIFANKATIAVANA ARY NY FIRAISANKINA.

TANY MASINA I MADAGASIKARA !

DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !

FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA SY NY NDREGNONY ANTEMORO RAMAHASITRAKARIVO ARY IREO AMPANJAKA ANTAMBAHOAKA SY AMPANJAKA ANTAGNALA

 FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

AVY AMIN' NY LAHIMATOAN' IMERINA,

LEHIBEN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA,


SY NY NDRENOGNY RAMAHASITRAKARIVO,
AMPANJAKA BÉ AMIN' NY FANJAKANA ANTEMORO,
SY IREO AMPANJAKA ANTAMBAHOAKA ARY AMPANJAKA ANTAGNALA,

HO FANAMAFISANA NY FIHAVANANA SY NY FIRAISANKINA ARY NY FIFANKATIAVANA,

FAMPAHATSIAHIVANA NY TANTARAN' I MADAGASIKARA MANDRITRA NY ENINA ARIVO TAONA MAHERY (+6.000 TAONA): NY LASA, NY ANKEHITRINY, ARY NY HO AVY.

TANY MASINA I MADAGASIKARA !

DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA !


ANTANANARIVO VOHITRA MASINA, FAHA-11 AOGOSITRA 2021.

vendredi 6 août 2021

FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA SY NY NDRENOGNY RAMAHASITRAKARIVO TAO IVATO-VOHIPENO

 FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

AVY AMIN' NY LAHIMATOAN' IMERINA,

LEHIBEN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA,

SY NY NDRENOGNY RAMAHASITRAKARIVO,
AMPANJAKA BÉ AMIN' NY FANJAKANA ANTEMORO,

TAO AMIN' NY LAPA FENOVOLA, IVATO-VOHIPENO,
FANJAKANA ANTEMORO,

HO FANAMAFISANA NY FIHAVANANA SY NY FIRAISANKINA ARY NY FIFANKATIAVANA,

FAMPAHATSIAHIVANA NY TANTARAN' I MADAGASIKARA MANDRITRA NY ENINA ARIVO TAONA MAHERY (+6.000 TAONA): NY LASA, NY ANKEHITRINY, ARY NY HO AVY.

TANY MASINA I MADAGASIKARA !

DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA !


IVATO-VOHIPENO, AOGOSITRA 2021.


jeudi 4 février 2021

TANTARAN' ANDRIANA ETO MADAGASIKARA : NY FANDOVANA FANJAKANA



Ny Mpanjaka ANDRIANTSITAKATRA (c.1200-1225 AD) nanjaka sy nanitatra fanjakana tao Ambohitsitakatra no anisan' ny razamben' ny Mpanjaka Merina sy ny Mpanjakan' i Madagasikara.

Ny Mpanjaka ANDRIANERINERINA LAHIMATOAN'IMERINA (c.1225-1250 AD), izay Fianakavian' ny Mpanjaka ANDRIANTSITAKATRA, no Mpanjaka Merina voalohany teto Imerina ary nanjaka tao Kilonjy ary nafenina ao Anerinerina, Kominina Ambohimalaza, ao Avaradrano Zokin'Imerina. 

Ny Fanjakan' Imerina dia efa nisy tamin' ny andron' ny Mpanjaka ANDRIANERINERINA (c. 1225-1250 AD).

Ny Mpanjaka ANDRIANDRAVINDRAVINA (1250-1275 AD) nanjaka tao Angavo sy ny Mpanjaka ANDRIANORANORANA (1275-1300 AD) izay lasa nifindra monina ary nanjaka any Maroantsetra sy Nosy Mangabe, dia samy
Taranaky ny Mpanjaka ANDRIANDRAMBONDANITRA.

Ny tarànany Mpanjaka ANDRIAMANJAVONA dia nanjaka tao Angavo ary ny Mpanjaka ANDRIANANJAVONANA (c.1300-1325 AD) dia nanjaka tao Anandribe. Izy ireo dia Taranaky ny Mpanjaka ANDRIANDRAVINDRAVINA.

Ny Tarànany Mpanjaka ANDRIANAMPONGANDANITRA (c.1325-1350 AD) dia nifindra monina ary nanjaka tao Ifanongoavana. 

Ny tarànany Mpanjaka ANDRIANAMBONIRAVINA (c.1350-1375 AD) dia nanjaka tao Beravina.

Ny Mpanjaka-Mpisorona ANDRIAMORAONY (c.1375-1380 AD) ary ny Mpanjaka ANDRIANDRANOLAVA (c.1380-1400 AD) dia nifandimby nanjaka tao Ambatondrakorika.

Ireo Tarànany Mpanjaka RAFANDRANA, Mpanjaka RAFANDRANDAVA, Mpanjaka RAMASINDOHAFANDRANA, Mpanjaka RAFANDRAMPOHY, RAFANDRAMANENITRA sy ny Mpanjaka RAFARAMAHERIOMBY dia nifindra monina ary nifandimby nanjaka tao Ampandrana (c.1400-14750 AD). Ary nandimby azy ny Mpanjaka ANDRIANTSARADOLO (c. 1475-1500 AD). 

Ny tarànany Mpanjaka RANGITAMANJAKATRIMOVAVY (c.1500-1525 AD) dia nifindra monina ary nanjaka tao Imerimanjaka.

Ny tarànany Mpanjaka RAFOHY (c.1525-1550 AD) dia nifindra monina ary nanjaka tao Alasora ary nodimbiasin' ny zanany Mpanjaka ANDRIAMANELO (c.1550-1575 AD).

Ny tarànany Mpanjaka RALAMBO (c.1675-1600 AD) dia nifindra monina tao Ambohidray-Ambohimalaza sy nanjaka tao Ambohidrabiby Hasin'Imerina ary namorona ny Fanjakana Imerina Roa Toko. 

Ny Mpanjaka RALAMBO no nametraka ny Fizokiana toy izao amin'ireo Fianakavian' ny Mpanjaka, izay tsy azo hovaina :

1 - ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA LAHIMATOAN'IMERINA, 
2 - ZANADRALAMBO,
3 -  ANDRIANAMBONINOLONA, 
4 - ANDRIANDRANANDO.



Araka ny Soatoavina Andriana Merina navelan' ny Mpanjaka ANDRIANERINERINA ary nohamafisin' ny Mpanjaka RALAMBO dia

ANDRIANDAHY, ANDRIANDRAY ANDRIANDRENY, ary Taranaka mivantana avy amin' ny Masina Mpanjaka-Mpisorona ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA LAHIMATOAN'IMERINA (c.1600-1610 AD) Tompon' ny Tranofohiloha, Tranomanara, Tranomasina, sady Taranaka mivantana avy amin' ny Masina Mpanjaka ANDRIANJAKA (c.1610-1630 AD) ao Avaradrano Zokin'Imerina, irery ihany no mahazo manjaka eto Imerina sy eto Madagasikara ary tsy azo hovana. Fa izay manova dia voaozona.

TANY MASINA I MADAGASIKARA !

"... SAMBATRA IANAO RY TANY RAHA NY MPANJAKA LAHY DIA ZANAK'ANDRIANA...".

"... NY MPANJAKA LAHY MANJAKA ARAKA NY FAHAMARINANA ARY IREO ZANAK'ANDRIANA MITONDRA ARAKA NY RARINY...".

Dia ho an'ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !

Antananarivo, Vohitra masina, faha-29 Febroary 2020.

Ny Mpanjaka NDRIANA RABARIOELINA,
avy amin' ny Lahimatoan' Imerina, 
Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Andriana Merina,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.

vendredi 15 janvier 2021

FANAMBARANA MIKASIKA NY VAKOKA RAKITRY NY ELA


FANAMBARANA :


Ny  Mpanjaka NDRIANA RABARIOELINA, 

LEHIBEN'NY FIANAKAVIAMBEN'NY ANDRIANA MERINA, 

LEHIBEN'NY FIANAKAVIAMBEN'NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA, 


dia manao Fanambarana fa 


TSY AZO ATAO ARY TSY EKENA ARY TENA FANOTANA FADY NY TSY FANAJÀNA NY HASINA SY NY SOATOAVINA MALAGASY ARY NY FANAPOTEHINA NY VAKOKA RAKITRY NY ELA,


tahaka ny eny an-tampon' AMBOHITRANDRIANANAHARY, VOHITRA ANDRIANA, VOHITRA MASINA,


izay NAORIN' ANDRIAMANANINTANY (c.1580 AD), LOHARAN' IREO MPANJAKA MERINA SY MPANJAKAN'I MADAGASIKARA, HO AN'NY TARÀNANY, 


NY FANAPOTEHINA NY VAKOKA RAKITRY NY ELA DIA TENA FANOTANA FADY ARY MAHA-VOASAZY EO ANATREHAN'NY LÀLANA.


AOKA IZAY !


NY TANY MANANA NY HASINY,

NY VOHITRA MANANA NY FADINY.


TANY MASINA I MADAGASIKARA !


DIA HO AN'ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY MANDRAKIZAY !


Antananarivo, Alakamisy faha-14 Janoary 2021.


NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

LEHIBEN'NY FIANAKAVIAMBEN'NY ANDRIANA MERINA,

LEHIBEN'NY FIANAKAVIAMBEN'NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA..

mercredi 6 janvier 2021

FANAMBARANA NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA MIKASIKA NY VOLAMENA ETO MADAGASIKARA (2021)

 FANAMBARANA MIKASIKA NY VOLAMENA :


NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

AVY AMIN'NY LAHIMATOAN' NY FIANAKAVIANA MPANJAKA,

LEHIBEN'NY FIANAKAVIAMBEN'NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA,


dia manao Fanambarana fa:


Tsy azo ekena ny fanondranana volamena an-tsokosoko, tsy ara-dalàna, efa an-taonany maro, avy eto Madagasikara mankany ivelany, izay mitombo isan-taona. Ary ireto misy tarehimarika kajy vitsivitsy:


FANONDRANANA AN-TSOKOSOKO VOLAMENA :


 1) Datin'ny 31 DESAMBRA 2020:

73,5 Kgr x 50.000 Euros x 4,600 Ariary = +16,9 MILIARA ARIARY = + 84,5 MILIARA FMG .... !!!


2) Raha Volamena 15 taonina isan-taona, mankany ivelany, ary izany dia manome tarehimarika:

15 taonina x 1000 Kgr x 50.000 Euros x 4,600 Ariary = +3,450 MILIARA ARIARY = +17,250 MILIARA FMG !!!


3) Raha 200 Taonina (tamin' ny Taona 2008-2016):

200 Taonina x 1000 Kgr x 50.000 Euros x 4,600 Ariary = +46,000 MILIARA ARIARY = +230,000 MILIARA FMG !!!


Ankoatr'izay, i Madagasikara dia nanjary anisan'ny firenena  dimy mahantra indrindra manerantany, nanomboka ny taona 2013, ary miharatsy hatrany izany mandraka ankehitriny amin'ny 2021.


Tena tsy azo ekena satria miha-mahantra isan'andro ny Vahoaka Malagasy maro an'isa. Amin'izao fotoana izao, maherin'ny 1,3 tapitrisa ny Malagasy tena tsy ampy sakafo ary atahorana ho faty mosary sy hetaheta.


Izany dia vokatry ny tsy fahombiazan' ireo mpitondra politika nifandimby, nanomboka tamin'ny 1960 ka mandraka ankehitriny.


FEHINY : MITAONANY HERY VELONAREHETRA HIJORO AMIN' NY FAHAMARINANA SY NY FITIAVA-TANIDRAZANA! 


MILA MPITONDRA POLITIKA VAOVAO MARO, MATAHOTRA AN'ANDRIAMANITRA, TSY MPANAO KOLIKOLY, MANANA FAHAMENDREHANA, TENA TIA TANINDRAZANA, MANAJA ny HASINA sy ny SOATOAVINA MALAGASY, MANAJA ny VAHOAKA MALAGASY, TENA MAHAY sy TENA MAHOMBY ...MBA HAMONJENA ny FIRENENA!


SAMBATRA IANAO RY TANY RAHA NY MPANJAKA LAHY DIA ZANAK'ANDRIANA !


TANY MASINA I MADAGASIKARA !


DIA HO AN'ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA, MANDRAKIZAY MANDRAKIZAY !


Antananarivo, Vohitra masina, Vohitr' Andriana, 07 Janoary 2021, amin'ny 0 ora52 maraina.


NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

AVY AMIN'NY LAHIMATOAN' NY FIANAKAVIAMBEN'NY MPANJAKA,

LEHIBEN'NY FIANAKAVIAMBEN'NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA.


---------------------------------

DECLARATION


 DU MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

DE LA BRANCHE AÎNÉE DE LA MAISON ROYALE,

CHEF DE LA MAISON ROYALE DE MADAGASCAR :


Il est inadmissible que depuis des années, les exportations illicites d'or en provenance de Madagascar vers l'extérieur augmentent d'année en année. En effet, voici quelques chiffres : 


EXPORTATION ILLICITE D'OR :


 1) DATE DU 31 DÉCEMBRE 2020 :

73,5 Kgr x 50.000 Euros x 4.600 Ariary = +16,9 MILLIARDS ARIARY = + 84,5 MILLIARDS FMG ....!!! 


2) AVEC 15 TONNES D'OR PAR AN, CELA FAIT :

15 Tonnes x 1000 Kgr x 50.000 Euros x 4.600 Ariary = +3.450 MILLIARDS ARIARY = +17.250 MILLIARDS FMG !!!


3) AVEC 200 TONNES D'OR (ENTRE 2008 ET 2016) :

200 Tonnes x 1000 Kgr x 50.000 Euros x 4.600 Ariary = +46.000 MILLIARDS ARIARY = +230.000 MILLIARDS FMG !!! 


Par ailleurs,  Madagascar est devenu parmi les cinq nations les plus pauvres du monde depuis 2013, et cela s'empire jusqu'à nos jours en 2021. 


Il est inadmissible que la population s'appauvrisse encore de jour en jour. Actuellement, plus de 1,3 millions de Malagasy sont dans l'insuffisance alimentaire très grave et risquent de mourir de faim et de soif.


C'est un constat d'échec des dirigeants politiques successifs depuis 1960 jusqu'à nos jours.


CONCLUSION : NOUS FAISONS APPEL A TOUTES LES FORCES VIVES DE LA NATION A SE LEVER D ET LA DÉFENDRE LA NATION ET LA PATRIE !


IL FAUT DE NOUVEAUX DIRIGEANTS POLITIQUES , CRAIGNANT L'ETERNEL, INTÈGRES PATRIOTES, RESPECTANT LA SACRALITÉ ET NOS VALEURS ANCESTRALES, RESPECTANT LA POPULATION MALAGASY,  TRÈS COMPÉTENTS, ET TRÈS EFFICACES POUR SAUVER LA NATION !


BÉNI SOIT LE PAYS DONT LE ROI EST NOBLE DE NAISSANCE !

TANY MASINA I MADAGASIKARA !


A L'ETERNEL, LE CRÉATEUR DE L'UNIVERS, SEUL SOIT LA GLOIRE !


Antananarivo, la ville sacrée et royale,

 le 07 Janvier 2021 à 0h52mn.


S.M.R. MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

DE LA BRANCHE AÎNÉE DE LA MAISON ROYALE,

CHEF DE LA MAISON ROYALE DE MADAGASCAR.


Sources:

- Royal House of Madagascar.

- Banque Mondiale, 1960-2020.

- United Nations International Trade Statistics Database (UNCom Trade).

- Extractive Industries Transparency Initiative (EITI).

- Transparency International.

- Agence Reuters.

-  L'Express de Madagascar, 27 Octobre 2020.

- Tous les médias sur Madagascar.


Remarque : 1gr d'Or = +50 Euros (janvier 2021)



jeudi 24 décembre 2020

FAMINDRANA ZAKA SY FAMINDRANA FAHEFANA HO AN'NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA avy amin' ny LAHIMATOAN' IMERINA (taona 2015)

 "... SAMBATRA IANAO, RY TANY, RAHA NY MPANJAKA LAHY DIA ZANAK' ANDRIANA...".


FAMINDRANA JAKA SY FANDOVA-PANJAKANA miaraka amin'ny Tehim-panjakana, araka ny SOATOAVINA ANDRIANA navelan' ireo Razambe Mpanjaka, dia Ny MASINA MPANJAKA ANDRIANTOMARA (c. 1000 AD), Ny MASINA MPANJAKA ANDRIANERINERINA Lahimatoan'Imerina (c.1280-1300 AD), Ny MASINA MPANJAKA RALAMBO (c.1575-1600 AD),


nataon' Ny ANDRIANA RALITERA Etienne,

avy amin'ny Lahimatoan'Imerina,

Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Andriana Merina,

Lehiben'ny Fiombonambe Taranaka Andriana Miray eto Madagasikara,


 tamin'


 Ny MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA, 

Avy amin'ny Lahimatoan'Imerina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina, 

Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara,


avy amin' ny Mpanjaka-Mpisorona ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA Lahimatoan' Imerina, Tompon' ny Tranofohiloha, Tranomanara, Tranomasina, sy avy amin' ny Mpanjaka ANDRIANJAKA nanorina ny Rova Antananarivo,


teo anatrehan' IREO ANDRIANDEHIBE ZOKIOLONA FOTSY VOLO AMIN' NY TANY sy IREO FILOHAN' NY FIKAMBANANA ANDRIANA MERINA


ary Ny Ndrenony RAMAHASITRAKARIVO Ampanjaka Be ANTEMORO sy ireo AMPANJAKA Solontena avy any amin' ny Faritra ary ireo ZANAKANDRIANA nasaina manokana.


"... SAMBATRA IANAO RY TANY RAHA NY MPANJAKA LAHY DIA ZANAK'ANDRIANA...".


"...NY MPANJAKA LAHY MANJAKA ARAKA NY FAHAMARINANA ARY IREO ZANAK'ANDRIANA MITONDRA ARAKA NY RARINY...".


TANY MASINA I MADAGASIKARA!


DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY MANDRAKIZAY !