vendredi 1 mai 2026

FANKALAZANA TAOMBAOVAO MALAGASY 2026

   SAMBASAMBA ZANAHARY!

ARAHABA TRATRY NY TAOMBAOVAO MALAGASY!

SAMY HAHAZO IZAY IRIANY NY TSIRAIRAY!

HO HEMPOKY NY SOA SY NY TSARA INDRINDRA!

TRARANTITRA AZA MAROFY!

HO TAHIN'ANDRIAMANITRA HATRANY!

ARY SAMY HO TRATRY NY ARIVO TAONA MITSINGERINA INDRAY!


DIA HO AN' ANDRIAMANITRA  ANDRIANANAHARY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!


Vita soa aman-tsara ny Fankalazana an'ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY, MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY, tao Antananarivo Vohitra Masina, misy ny Mpanjaka ANDRIANJAKA namorona ny Rova Antananarivo (1600-1610 AD).


Ireo TENIN' ANDRIAMANITRA nomeny tamin' izany Fankalazana ny TAOMBAOVAO MALAGASY izany dia hoe:

. "...ITY VOLANA ITY NO VOLANA VOALOHANY HO ANAREO, DIA NY VOLANA VOALOHANY AMIN' NY TAONA HO ANAREO..." (Eksodosy 12:2).

.  JESOSY KRISTY: " MPANJAKAN NY MPANJAKA SY TOMPON NY TOMPO" (Apokalypsy 19:16).

. Hoy JESOSY KRISTY: "...EFA NOMENA AHY NY FAHEFANA REHETRA ANY AN-DANITRA SY ETY AN-TANY..." (Matio 28:18).

. "...KOA MIHOATRA NHO NY MPANDRESY ISIKA MIARAKA AMIN' ILAY TIA ANTSIKA (JESOSY KRISTY) ... (Romana 8:31).

. Ny Andriana ANDRIAMBOAVONJY Naina, Katekista FJKM, avy amin' Ny Andriamasinavalona, no nitondra ny Hafatr' ANDRIAMANITRA araka ireo voalaza ireo.


. Ny Andriana RAMANANTSOA Jean Baptiste, avy amin' Ny Andrianamboninolona ao Ambovona akaikin' i Vilihazo sy Fihaferana, Raiamandreny ny Toby Fifohazana Fiombonana, Manarintsoa Namehana, Antananarivo Avaradrano, dia nanazava mikasika izany Toby Fifohazana izany izay nataon' ANDRIAMANITRA ho Firaisan' ireo Mpiandry FJKM, FLM, EEM, ary Katolika (FFKM), araka ny TENIN' I JESOSY KRISTY hoe "...MBA HO IRAY IHANY IZY REHETRA..." (Jaona 17:21). 


. Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA dia nanazava mikasika ny TANTARA MIAFIN' I MADAGASIKARA dia ireo Foko rehetra (Merina, Antakarana, Betsimisaraka, Sihanaka, Bezanozano, Antambahoaka, Antemoro, Tagnala, Betsileo, Bara, Antefasy, Antesaka, Zafisoro, Tanosy, Tandroy, Mahafaly, Masikoro, Vezo, Sakalava, Tsimihety) eto Madagasikara avy amin' ny ZANAK' ISRAEL ROAMBINIFOLO.


. Nisy ihany koa ny TATAO (Fihinanana VARY TONDRAHAN-DRONONO SY TANTELY) izay fomba fanaon' ireo Razambe Zanak' Israel fahiny raha niala avy any Egypta tamin' ny taona 1446 BC sy namakivaky ny Efitra Sinai nandritra ny 40 Taona (1446 BC-1046 BC), ka niditra tany Kanana sy ISRAEL tamin' ny taona 1046 BC.


. Ny Andriana RAZAFINDRAKOTO  Regis, 88 Taona mahery, Zanadralambo amin' ny Andrianjaka, avy ao Manandriana Avaradrano, Raiamandreny Zokiolona ao amin' ny Komitin' ny Zokiolona Fianakaviamben' ny Andriana Merina, dia namoaka Boky mitondra ny lohateny hoe "NY FIHAVIAN' NY MALAGASY ARAKA NY BAIBOLY".


. Tonga nanatrika izany Lanonana izany ireo Andriana ao anaty Fianakaviamben' ny Andriana Merina, Solontena avy amin' Imerina Enitoko sy ireo Andriana nasaina manokana avy eto Madagasikara sy avy any am-pitandranomasina tamin' izany.


DIA HO AN ' ANDRIAMANITRA, MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY, IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY!


Antananarivo Vohitra Masina, Fanjakana Merina,

Taona Alarobia, Sabotsy 25 Aprily 2026.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.



Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire