mercredi 17 octobre 2012

NY MPANJAKA ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA LAHIMATOAN' IMERINA :


FAMINTINANA NY KABARY TAMIN' NY FANKALAZANA NY FAHA-450 TAONA NAHATERAHAN' NY MPANJAKA ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA TAO AMBOHIMALAZABE:

Tsarava tompoko ny Andriana!

Ny teninay voalohany etoana dia ny FISAORANA sy FANKASITRAHANA an'ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY, Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany, ary namorona ny Fianakaviana Andriana sy ny Fiandrianana! Betsaka no azo tantaraina mikasika ny Tantaran' ny Andriana eto Madagasikara, indrindra mikasika ny Mpanjaka Andriantompokoindrindra nanjaka tao Ambohimalazabe. Ary tiana ho marihina fa ny manosika antsika handalina ny tantara dia ny Fitiavana ny razana nipoirana, ny Fitiavana ny soa navelan' ny razana, ny Fitiavana ny mpiray tanindrazana, ny Fitiavana hanasoa ny tanin' ny razana, ny Fitiavana hampandroso ny firenena, ary indrindra indrindra ny Fitiavana an'Andriamanitra Andriananahary!

Koa ho antsika tia hahafantatra ny tantaran' ny vohitra nihaviana sy ny tantaran'I Madagasikara, tia hanaja hatrany ny soatoavina, tia ny firaisankina, tia fandrosoana: Ny lasa hono tsy fanadino, ny ankehitriny atrehina, ary ny ho avy banjinina! Noho izany, ao isika Teraky ny Tranofohiloha, aza miova fenitra amin'ny hafatra navelan' ny razambe nipoirana! Ary araka ny ohabolana manao hoe: Tehatehaka hono an' Ambodisiny fa Ambohimalaza no Tompon' ny gora! Maro no azo lazaina, fa famintinana ny tantara ihany no ho lazaina manaraka eto. Ary mankasitraka sy mankatelina manokana ireo Zanakandriana sady zokiolona mihoatra ny enim-polo taona ka hatramin' ny zato taona mahery, mi-isa fitopolo, ao amin' ny Fianakaviana Ny Andriandriatompokoindrindra, izay nanome am-pitiavana sy nampita mivantana ny tsiambaratelo mikasika ny Tantaran'Andriantompokoindrindra.

Iza moa ny MPANJAKA ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA tao AMBOHIMALAZABE?

1) Ny rainy: Ny Mpanjaka Ralambo avy ao Ambohidrabiby: Ny Mpanjaka RALAMBO (1575-1600) izay nanjaka tao Alasora sy Ambohidrabiby Hasin'Imerina no rainy. Izy dia zanaky ny Mpanjaka ANDRIAMANELO tao Alasora sy Ny Andriambavy IMAINTSOANALA niova anarana ho RANDAPAVOLA tao Ambohidrabiby Hasin'Imerina. Ny Mpanjaka RALAMBO moa dia zafikelin' ny Mpanjakavavy RAFOHY tao Alasora.

2) Ny reniny: Ny Andriambavy Rabehavina avy ao Ambatomanitrasina: Ny reniny dia Ny Andriambavy RABEHAVINA, niova anarana hoe RATOMPOKOAMANDRAINY na koa hoe RAFOTSIMAROHAVINA, Andriambavy tsara tarehy, fotsifotsy, zanaky Ny Mpanjaka Andriamamilazabe I tao Ambatomanitrasina, ary zafin'anabavin' Ny Mpanjaka RABIBY tao Ambohidrabiby Hasin'Imerina. Mpihavana akaiky ihany Rabehaviana reniny sy Ralambo rainy, satria ny Mpanjaka Rabiby dia raiben' ny Mpanjaka Ralambo ihany.

3) Ny vadiny: Nanambady voalohany izy, Andriambavy avy ao Alasora, izay havany akaiky ihany, ary novadiany tamin' izy nonina tao Ambohidrabiby Hasin'Imerina. Avy eo Andriantompokoindrindra nandeha nonina tany Ambohimalaza, izay tany nahaterahany. Nanana vady faharoa koa izy taty aoriana dia ny Andriambavy RAVOLOLONANDRIANA, zanaka vavitokan' ny Mpanjaka ANDRIAMIHODIDINARIVO nanjaka tany amin' ny Fanjakany tao Angavo.

4) Ny zanany telo mirahalahy: Niteraka Zanakandriana telo mirahalahy izy dia RATOMPOINDRAONDRIANA sy ANDRIANDAMBO ary ANDRIAMAHATSIRAVINA. Avy amin' ny taranak' izy telo mirahalahy no nipoiran' ny mpanjaka eto Imerina sy ny Mpanjakan' i Madagasikara hatramin'ny Mpanjaka RANAVALONA III (1883-1896).

5) Ny raibeny: Ny Mpanjaka Andriamanelo avy ao Alasora sy Ny Mpanjaka Andriamamilazabe I avy ao Ambatomanitrasina: Ny Mpanjaka ANDRIAMANELO, zanaky ny Mpanjaka RAFOHY tao Alasora no raibeny avy amin'ny rainy. Ny Mpanjaka ANDRIAMAMILAZABE I no raibeny avy amin' ny reniny. Araka ny tantara dia niara-belona ny Mpanjaka ANDRIAMAMILAZABE I sy ny Mpanjaka Andriamanelo, ary nahita sy nahatratra an-dRalambo izy. Indray andro, nitady vonjy tamin' ny Mpanjaka Andriamamilazabe tao Rangaina ny Mpanjaka Ralambo satria nisy doro-tanety niparitaka hatraiza hatraiza teto Imerina, ary tsy nety nijanona, vokatry ny hain-tany nandritra ny herintaona sy tapany. Noho ny fahaizana sy ny fahendren' ny Mpanjaka Andriamamilazabe I dia avy ny orana nandritra ny andro maro ka maty ny afo. Nanomboka teo no tena nifankazahoan' izy mirahalahy, ka ny Mpanjaka RALAMBO dia nanambady ny Andriambavy RABEHAVINA zanak' Andriamamilazabe I sy zafin'anabavin' ny Mpanjaka RABIBY tao Ambohidrabiby Hasin'Imerina.

6) Ny renibeny: Ny Andriambavy RAMAINTSOANALA, niova anarana ho RANDAPAVOLA nony nanambady na koa hoe RASOLOBE, izay zanaky ny Mpanjaka RABIBY tao Ambohidrabiby Hasin'Imerina no renibeny avy amin' ny rainy. Ny renibeny avy amin' ny reniny kosa dia zanak'anabavin-dRabiby avy amin' ny Terak'Andrianoranorana.

7) Ny anabaviny: Ny Andriambavy RAVAOMASINA no anabaviny, iray tampo iray sy iray reny aminy. Mbola nanana anabavy hafa koa izy, toa ny Andriambavy RAVOLOLONDRALAMBO, zanaky ny Mpanjaka RALAMBO tamin' ny Andriambavy Ratsitohinimanjakanalondrano vadiny faharoa.

8) Ny rahalahiny: Ny Mpanjaka ANDRIANJAKA (1615-1630) nonina tao Ambalanirana ary nanjaka tao Antananarivo taty aoriany no anisan' ny rahalahiny fa tsy iray reny aminy. Zanaky ny Mpanjaka RALAMBO tamin' ny Andriambavy RATSITOHINIMANJAKANALONDRANO izy. Ary mbola nànana rahalahy hafa reny koa izy ankoatra an'ANDRIANJAKA. Ny Mpanjaka Ralambo dia nanambady Ny Andriambavy RATOMPOANDRIAMBAVY avy ao Alasora, teraky ny Andriana Andrianamponga II, anadahin' ny Mpanjaka Rafohy, ka niteraka ny Zanakandriana, toa an'ANDRIAMPANARIVOMANGA ao Lazaina, ANDRIAMASOANDRO ao Manandriana-Avaradrano, ANDRIANTOMPOMBE ao Ambatofotsy-Avaradrano, ANDRIAMPONTANY ao Soavinimerina, RAFIDY ao Ambohidrano-Atsinanana, ANDRIANTSINOMPO ao Ankadindravololona...

9) Ny iray tampo amin' ny rainy: Ny Mpanjaka Ralambo rainy dia nànana ireto rahalahiny ireto: Ny Zanakandriana RAMASY sy ny Zanakandriana RANORO ary ny Zanakandriana RATRIMOTOMPONIBEMIHISATRA izay nanambady ny Andriambavy Rafotsizinandriamanitra.

10) Ny iray tampo amin' ny reniny: Ny Mpanjaka Andriamamilazabe I tao Ambatomanitrasina, dia niteraka itreto Zanakandriana ireto: IRINGITRA vavimatoa izay miafina ao Imampidongy avaratr'Ambatomanitrasina, RAMANITRASINA lahimatoa izay nandova ny fanjakana any Ambatomanitrasina, ANDRIANKIMBORILAVAHOHO lahiaivo izay miafina ao avaratr'Ambatomanitrasina, RABEHAVINA vaviaivo sady renin'Andriantompokoindrindra ary nandova ny fanjakana any Ambohimalazabe, ary ANDRIANDRANANDO faralahy, izay nandova tany Ambohimailala sy Ambohibe ary Ambohimahitsy.

11) Ny toerana nahaterahany: Teraka tao Ambohimalaza tao amin' ilay toerana atao hoe Morarano izy, izay novaina hoe Ambohimanjaka, tamin' ny fandalovan' ny mpanjaka RALAMBO nipetraka tsy ela tao Ambohimalaza raha avy any Alasora (Imerina Atsimo na Atsimondrano) ka handeha ho any Ambohidrabiby (Imerina Avaratra na Avaradrano). Izy no Lahimatoan' ny Andriana, indrindra amin' ny Zanakandriana nateraky ny mpanjaka RALAMBO rehetra.

12) Ny fahatanoràny: Nonina tany Ambohidrabiby Hasin'Imerina niaraka tamin'ny Mpanjaka Ralambo rainy izy sy ireo rahalahiny sy anabaviny, ary nifankatia be izy sy Andrianjaka zandriny. Avy eo izy dia nifindra tany Ambohimalazabe nony efa lehibe.

13) Ny fahanterany: ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA dia ela niainana sy tratra antitra. Efa niamboho ireto mpanjaka nifandimby tao Antananarivo ireto: Andrianjaka (1610-1630), Andriantsitakatrandriana (1630-1650), Andriantsimitoviaminandriandehibe (1650-1670) ary efa teraka tao Ambohitsaratany-Ambohimalaza ny zafiafiny atao hoe Andriamasinavalona lasa mpanjaka taty aoriana, vao niamboho izy.

14) Ny toetra nampiavaka azy: ANDRIANTOMPOKINDRINDRA dia lehilahy naranin-tsaina, feno fahalalàna sy fahaizana ary fahendrena. Izy dia nomen'Andriandriamanitra TALENTA FITO, toy ny fahaizana mandinika ny zava-boary, ny fahalalàna ny toetr'andro, ny nitsinjo lavitra ny ho avin' ny taranaka aty aoriana, ary koa nandresy ireo fahavalo nifanandrina taminy amin'ny ady. Izy koa dia tena olona ara-panahy ary nànana fifandraisana manokana sy mivantana tamin'Andriamanitra Andriananahary Mpanao ny Lanitra sy ny Tany, toe-panahy izay nolovàny tamin' ireo razambe nipoirany. Izy dia nànana talenta manokana ihany koa teo amin' ny kolotsaina sy ny hai-kanto.

15) Ny zavatra mampiavaka azy: Maro ny zavatra mampiavaka ny Mpanjaka ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA tao Ambohimalazabe: Izy no TOMPON'NY FISORONANA dia ny fanaovana fivavahana mivantana amin'Andriamanitra. Izy no TOMPON'NY TRANOMASINA eo ambony fasan' ny mpanjaka sy TOMPON'NY TRANOMANARA eo ambony Fasan'Andriana mpandova fanjakana eto Imerina. Marihina fa ny Tranomasina sy ny Tranomanara, izay lazaina ihany koa hoe Tranofohiloha, dia nolovàny tamin' ny razambeny, avy amin' ny dadabeny Ny Mpanjaka Andriamamilazabe I avy ao Ambatomanitrasina.

Izy koa no TOMPON'NY DIHY SORATRA natokana ho azy sy ny terany, izay Dihy Masina sy dihy tranainy indrindra eto Imerina sy eto Madagasikara, ary dihy mifono hevi-dalina. Izy ihany koa no TOMPON' NY FANORONA izay misy tsiambaratelo avy amin' ny razambeny.

Izy koa dia TOMPON'NY TENY satria ny mananjoky hono afa-kolan-teny ary ny manan-jandry afa-kolan'entana. Izy ihany koa dia TOMPON'NY KABARY nolovàny tamin' ny razambeny.Ary ny fianakaviana Andriantompokoindrindra dia tsy mahazo miala-tsiny raha handray fitenenana, satria tompony fa tsy mpamerin-doha.

Izy koa dia TOMPON' NY FOMBAN'ANDRIANA sy MPITAHIRY SOATOAVINA maro, izay nolovàny avy amin'ireo razambeny. Anisan' izany ohatra ny Hasoavana, ny Fitsofan-drano, ny Fady kisoa sy lambo ary osy, ny Fifanarahana mikasika ny fitondram-panjakana nifanaovany tamin'Andrianjaka, ny Tranofitomiandàlana ao Ambohimalazabe eo avaratry ny fasany, ny tsy miditra amam-paty na tsy mikasi-paty, ny ala-faditra sy ny solon-tsavony, ny tsy mahazo mivarotra fiandrianana, ary tsy mahazo mivarotra tanindrazana amin'ny mpihavy fa tsy maintsy hifandovana ao amin' samy fianakavian' Ny Andriantompokoindrindra irery ihany. Raha bangoina amin' ny teny fohy dia Andriantompokoindrindra dia Lahimatoa mpitahiry ny fomban amam-panaon' ny Andriamanjaka eto Imerina.

Raha ny tantara no dinihina sy halalinina dia maro ny OLOMANGA, nahavita soa teto amin' ny firenena, avy ao amin' ny Fianakaviana Ny Andriantompokoindrindra, toa any Ny Andriana RAMAMBA ANDRIAMBAVENTY Lehiben' Ny Andriantompokoindrindra, taranaky ny Zanakandriana Ratompoindraondriana Lahimatoan'Andriantompokoindrindra ary Kristiana voalohany teto Ambohimalaza, Ny Andriana Dokotera Joseph RASAMIMANANA izay Manampahaizana Malagasy Voalohany sy ny Governora RAZAFINDRAZAKA Louis de Gonzague izay niaraka nanoratra Boky mikasika Ny Andriantompokoindrindra, Ny Andriana Governora ANDRIANANTOANDRO izay nangataka ary nahazo ny fanafohànana ny fanandevozana teto Madagasikara, Ny Andriana Joseph RAMANAKAMONJY Mpanao Hai-Loko, Ny Andriana RAMAMONJISOA Teraka na THERACK Mpamoron-kira, ireo Andriana Mahery fo nitolona ho an' ny Fahaleovantenan' I Madagasikara, niady tamin' ny mpanjanatany sy ny forongony, tamin' ny andron' ny Menalamba, ny VVS sy tamin' ny 1947 ary taty aoriana, Ny Andriambavy RAVELOARISOA Madeleine Mpampianatra sy Mpamorona Hiram-pivavahana, ary indrindra Ny Andriana Daniel RATEFY sy Ny Andriana Daniel RALIBERA ary Ny Andriana Cardinal Armand Gaëtan RAZAFINDRATANDRA izay niara-nivavaka voalohany ho an' ny Firaisan' ny Kristiana rehetra manerana an' I Madagasikara.

Fanamarihina: Avy amin' ny taranaky ny Mpanjaka Andriantompokoindrindra Lahimatoan' Imerina sy ny Mpanjaka Andrianjaka, avokoa ireo mpanjaka taty aoriana teto Imerina. Ary tsy maintsy Andriandahy, manana ray na reny Andriantompokoindrindra mivantana, miampy ny ilany avy amin'Andrianjaka, vao afaka manjaka eto Imerina sy eto Madagasikara.

Tamin' ny andron' Ny Mpanjaka Andriantompokoindrindra dia efa nifanerasera sy nanamafy ny firaisankina tamin' ny foko maro teto Madagasikara izy. Notohizan' ny tarànany izany mandraka ankehitriny. Ary maro ny toerana mitondra ny anarana Ambohimalaza napetrak'izy ireo manerana ny Nosy. Ary ny Fianakaviana Andriantompokoindrindra ankehitriny dia manatevina hatrany koa ny Fifankatiavana sy ny Firaisankina amin' ny Andriana manerana ny Nosy sy manerana ny tany.

Fehiny: Ny Tantaran' ny Mpanjaka ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA dia ahitana fa manana tantara mazava tokoa izy. Isaorana etoana ny Andriandehibe rehetra, indrindra ireo mbola niaina tamin' ny Taonjato faha-19 nampita ny tantara sy lovan-tsofina efa tamin' ny Taonjato faha-16 sy faha-17 ary ny tany aloha rehetra tany, ho an' ny taranaka rehetra aty aoriana.

Eto am-pamarànana dia tianay ny manamafy fa NY ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA tsy miavona fa manaja kosa ny soatoavina navelan' ny razana! Ary Andriana tokana hono tsy iaraha-monina. Koa ny firaisankina no hery! Ary ny hery tsy mahaleo ny fanahy! Ary ny Fanahy no maha-olona! Koa hirariana isika rehetra hitombo an-dàlana hoatra ny dian'andriana, hampandroso ny tanindrazana sy ny firenena! Noho izany, mahaleova mahalasàna daholo! Ary mitso-drano antsika rehetra, amin' ny anaran' ny Andriamanitra Andriananahary: Ny Andon' ny Lanitra sy ny Tsiron' ny Tany anie ho amintsika rehetra sy ny fianakaviana manontolo!

Ambohimalaza, Vohitra masina 26 Aogositra 2006.

© Prince Rev. Dr. Ndriana RABARIOELINA.
Filohan' ny Fiombonamben' ny Zanakandriana sy Ampanjaka eto Madagasikara.


dimanche 30 septembre 2012

KABARY TAMIN' NY TAOM-BAOVAO 2011 TENY AMBOHIMANGA - ROVA:

HAFATRA: TSY AZO AMIDY MADAGASIKARA !


Tompokolahy sy Tompokovavy,

TANY MASINA I MADAGASIKARA !  Tsy mitovy amin' ny tany rehetra ity Nosy ity, 
Fa natokan' Andriamanitra Andriananahary Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany hiavaka amin' ny tany rehetra !
Eto no silaky ny Saha Edena! 
Eto no misy ny harena ambany tany sarobidy indrindra eran-tany ! 
Eto no misy ny zava-maniry tranainy indrindra eran-tany ! 
Eto no misy ny biby tranainy indrindra eto an-tany ! 
Eto no misy ny vatosoa isan-karany sy betsaka indrindra eto an-tany ! 
Raha ny vatosoa safira any Ilakaka fotsiny dia ampy hamelomana ny vahoaka rehetra eto Madagasikara! 

Firenena tokony handroso amin'izay raha mandeha amin' ny Fahamarinana,
satria amin' ny FAHAMARINANA no hamonjen'Ilay Mpahary ny Firenena !

Noho izany dia TSY AZO AMIDY I MADAGASIKARA ! Ary ny HARENAM-PIRENENTSIKA dia tokony ISIKA TOMPONTANY no MITANTANA AZY FA TSY NY VAHINY !


Ny soatoavina sy ny kolotsainam-pirenenantsika eto Madagasikara dia tsy vao am-polo-taonany, na an-jato taonany akory, fa efa nisy an'arivo taonany ! 
Ny Lamba nenti-paharazantsika dia efa nisy teto an'arivo taonany !                       
Ny Tenin-drazantsika dia anisan' ireo tenim-pirenena raobinifolo tranainy indrindra eran-tany! 


Sarobidy eo anatrehan' Ilay Mpahary i Madagasikara !
Ary isika Tompontany dia nantsoiny ho FIRENENA MASINA sy TARANAKA VOAFIDY !


Koa ho lasa amin'izay anie ny ratsy rehetra !

Ary Andriamanitra Andriananahary, Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany, anie,
handrotsaka ny Fahasoavany, ny Fitahiany, ny Fiadanany ho antsika rehetra, 
Tompontany eto Madagasikara sy ny Zanaka am-pielezana rehetra manerana ny tany, amin'izao Taona Vaovao 2011 izao !

DIA HO AN'ILAY MPAHARY IRERY IHANY ANIE NY VONINAHITRA !



Hoy:


Prince Rev. Dr. Ndriana RABARIOELINA,
Filohan' ny Fiombonamben ny Zanakandriana sy Ampanjaka 
eto Madagasikara.


Ambohimanga-Rova, faha-04 Aprily 2011.




(c) copyright.



FIHAONAMBEN' NY AMPANJAKA SY ZANAKANDRIANA ETO MADAGASIKARA : FANOMEZANA HO FANAMBOARANA NY ROVAN'AMBOHIMANGA:


Ny Fihaonamben' ny Ampanjaka sy Zanakandriana eto Madagasikara, tarihan' Ny Andriana Rev. Dr. Ndriana Rabarioelina, dia nanao fanomezana vola mitentina 140.000 ariary, ho fanadiovana ny Rovan'Ambohimanga, izay voa mafy tokoa, tamin' ny fandalovan' iny rivodoza Giovanna tamin' ny 14 Febroary 2012 iny.


Ny Rovan'Ambohimanga dia ao anatin' ireo vohitr'andriana sy vohitra masina eto Imerina, izay manana ny lazany manokana tokoa, ary reharehan' i Madagasikara hatrany am-pitandranomasina. Tao no nanjaka ireo mpanjaka toa an'Andriambelomasina sy Andrianampoinimerina.


Vokatry ny rivodoza Giovanna, izay nandalo tamin' ny 14 Febroary 2012, teny amin' ny Rovan'Ambohimanga, dia maro ireo hazo amontana sy hazo jacaranda ary hazo isan-karazany, izay nianjera tanteraka na tapaka, teo amin' ny fiakarana alohan' hidirana ny Rova sy ny toerana antsoina hoe Ambatorangotina ary ny toerana fikabariana antsoina hoe Fidasiana, ao amin' ny Rovan'Ambohimanga. Nisy iraikambinifolo koa ireo tafon' ny trano nanodidina ny Rovan'Ambohimanga izay lasan' ny rivodoza tanteraka.


Misaotra an'Andriamanitra Andriananahary fa tsy nianjera na tapaka ireo hazo amontana roa lehibe eo andrefana sady tena akaikin' ny lapan'ny Mpanjaka Andrianampoinimerina.



Nohamafisin' ny Fihaonamben' ny Ampanjaka sy ny Zanakandriana eto Madagasikara hatrany koa ny tokony hanajana ny hasin' ny Rovan'ny Mpanjaka, mba tsy hisy intsony ny lanonana izay tsy misy hifandraisany mihitsy amin' ny fiandrianana sy ny mpanjaka, sy ny tokony hanajana ireo zavatra fady, nanomboka tamin' ny andron' ny mpanjaka, dia ny tsy tokony hitondrana kisoa, toaka, paraky, tongolo ary rongony, eny an-toerana, satria toerana masina ireny.


Manaraka izany dia nanao fanambarana izy ireo fa ny vavaka sy fangataham-pitahina amin' Andriamanitra Andriananahary, Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany, Andriamanitry ny razana, irery ihany, no mitondra fitahina, ary izany no tena fomba taloha,

fa ny vavaka amin' Andriamanitra sy ny razana dia mitondra ozona, satria Andriamanitra Andriananahary tsy azo ampitoviana laharana amin' ny razana, izay voaharian'ILay Mpahary.


Farany, ny Fihaonamben' ny Ampanjaka sy ny Zanakandriana eto Madagasikara dia manao antso avo amin'ny mpiray tanindrazana rehetra mba hiaro ny vakokam-pirenena sy ny vohitra masina rehetra manerana an' i Madagasikara.


Ambohimanga, vohitra masina, 16 Febroary 2012.


Ny Andriana Rev. Dr. Ndriana RABARIOELINA,
Filohan' ny Fihaonamben' ny Ampanjaka sy ny Zanakandriana eto Madagasikara.


-

FANAMBARAN' NY ANDRIANA TAO MANJAKAMIADANA:




Ny Fihaonamben’ ny Ampanjaka sy ny Zanakandriana eto Madagasikara dia:

1. Manameloka tanteraka ny fangalàrana ny satroboninahitry ny Mpanjakavavy Ranavalona I (1828-1861) sy ny fandoroana ny Lapan’ i Manjakamiadana tamin’ ny 06 Novambra 1995 ary ny famindràna antsokosoko ny taolambalon’ ny mpanjaka tamin’ ny taona 2008 avy tao amin’ ny Rova Antananarivo.

2. Tsy hipetra-potsiny fa hanao fanadihadihana manokana mba hahitàna ny marina rehetra. Ary aoka ho saziana faran' izay mafy indrindra ireo nahavanon-doza nanao izany satria nangaron-dapa (anisan' ny heloka roambinifolo mahafaty).

3. Milaza an’izay manana na mahita iny satroboninahitry ny mpanjaka iny, sy ireo vakoka sarobidy rehetra, mba hamerina izany satria fanànam-pirenena ireny.

4. Manao antso avo amin’ ny Ambanilanitra rehetra, mba tsy hanaonao foana, fa hanaja tanteraka ny hasin’ ny toerana masina sy ny toerana manan-tantara rehetra manerana ny Nosy, indrindra ireo Rovan’ ny Mpanjaka izay manana hasina manokana, ary hanaja toy ny anak’andriamaso ny hasina sy ny soatoavina ary ny kolotsaina maha-izy azy sy mampiavaka azy ny firenentsika.

5. Miantso ny Ambanilanitra rehetra mba hiaro ny vakoka sy ny harem-pirenentsika rehetra manerana ny Nosy.

Manambara koa fa lahara-pahamehana ny fanarenana ny Rovan’ ny mpanjaka rehetra manerana ny Nosy, indrindra ny Rova Antananarivo misy ny Lapan’ i Manjakamiadana, Besakana, Tranovola, Manampisoa, araka ny soatoavina sy ny fomba nentim-paharazana. Koa aoka tsy ho haondrahana any ivelany intsony ny hazo masina sy ny hazo sarobidy rehetra fa hanantanterahana izany.

6. Miantso ny Ambanilanitra hiaro ny tanindrazana, satria efa tafahoatra loatra ny gaboraraka, ny tsy fahamarinana, ny kolikoly, ny fanitsakitsahana ny soatoavina sy ny kolotsainam-pirenentsika, efa lasa tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, efa tafahoatra loatra ary tena mihaom-pampana ny fivarotana tanindrazana amin’ ny vahiny.

7. Miantso ny Zanak’Arivolahy tsy maty indray andro sy ny Ambanilanitra rehetra. Ampy izay ny famiravirana. Aoka tsy handefitra intsony isika manoloana ny fanitsakitsahan’ny vahiny ny tanindrazantsika. Tompony isika fa tsy mpangatak’atiny. Efa eo an-tokonam-baravarana ny fahavalo, koa mitsangàna daholo! Efa tonga ny fotoana, koa atambaro ny hery!


Tany Masina i Madagasikara! Ary isika tompontany dia nantsoin’ Ilay Mpahary ho Fanjakam-Pisorona sy Firenena masina! Ary nantsoin’ ilay Mpahary koa isika handeha amin’ ny Fahamarinana.

"HITAHY izay MANISY SOA anao Aho, fa HANOZONA izay MANOZONA anao..." (Genesisy 1:3)."Dia ho FANJAKA-MPISORONA sy ho FIRENENA MASINA ho Ahy hianareo" (Bokin' ny Eksodosy 19:6), ary “NY FAHAMARINANA MANANDRATRA NY FIRENENA" (Ohabolana 14:34).


Ho an’Andriamanitra Andriananahary, Zanahary, Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany irery ihany ny Voninahitra, ao amin' i Jesoa Kristy, Andriamanitra tonga nofo, Ilay Mpanjakan' ny mpanjaka sy Tompon' ny tompo, ary Fiadanana ho an’ ny olona rehetra izay ankasitrahany!


Antananarivo, vohitra masina, faha-07 Desambra 2011.


Hoy:

Ny Prince Rev. Dr. Ndriana RABARIOELINA,
Filohan’ ny Fiombonamben’ ny Zanakandriana sy Ampanjaka eto Madagasikara.

mardi 25 septembre 2012

NY LAPAN' I MANJAKAMIADANA MARIKY NY FIANDRIANAM-PIRENENA DIA TSY MAINTSY MIJORO SY HAMIRAPIRATRA INDRAY !

:

Madagasikara, Tany Masina, dia efa nànana ny Fahaleovatenam-pirenena sy ny Fiandrianam-pirenena talohan' ny fanjanahantany. Ary efa anisan' ny firenena lehibe sy matanjaka indrindra teto amin' ny Ranomasimbe Indiana sy Afrika izy tamin' ny Taonjato faha-19, ary mbola natanjaka noho i Japana talohan' ny vanim-potoanan' ny Emperora Meiji.

Ireo Andriana manjaka teto Imerina sy teto Madagasikara dia nampandry ny tany sy ny firenena noho ny ady tsy nisy farany teo amin' ny vahoaka sy teo amin'ny foko isan-karazany, ary nanambatra ireo fanjakana isam-poko ho fanjakana iray lehibe. Vokatr'izany, ny Rovan' Antananarivo dia mariky ny fahaleovantenam-pirenena sy ny Firaisam-pirenena ary ny Fiandrianam-pirenena.

Nisy nandoro tamin'ny 06 Novambra 1995 ny Rovan'antananarivo, izay nisy ny Lapa Besakana, Manhitsielafanjaka, Tranovola, Manampisoa sy ny Lapan'i Manjakamiadana, miaraka tamin' ny Fasana Fitomiandàlana, ary ireo Fasan' ny Mpanjakalahy sy Mpanjakavavy.


Iza no nandoro ny Lapan' i Manjakamiadana ? Raha ny tantara no jerena dia efa tamin' ny taona 1642 ny frantsay no tia hanjanaka an' i Madagasikara. Ary tamin'ny Konferansa tany Berlin tamin' ny taona 1885 dia nanapa-kevitra ireo firenena vazaha tandrefana efatrambinifolo fa hizara sy haka an' i Afrika sy Madagasikara.

Ho tohin'izany dia vazaha frantsay repoblikana mpanjanantany vaovao, niaraka tamin' ny karana sy malagasy mpamadika tanindrazana, no nampandoro sy nandoro ny Rovan'Antananarivo, tamin' ny lasantsy kerozene, tamin' ny 06 Novambra 1985.


Noho izany, ny Fihaonambe ny Ampanjaka sy ny Zanakandriana eto Madagasikara dia manao zao fanambarana izao: Voaozona izay rehetra nampandoro sy nandoro ny Rovan' Antananarivo sy ireo izay rehetra tsy manaja ny soatoavina ary ny kolotsainan' ny Ampanjaka sy ny firenena, ary koa ireo rehetra nandroba na mandroba ny harem-pirenena rehetra eto Madagasikara.

Hotahina kosa izay rehetra manaja ny soatoavina sy ny kolotsainan'ny Ampanjaka sy ny firenena, sy miaro ny harenam-pirenena ary ny tontolo iainana eto Madagasikara.

Fa ny Rovan' Antananarivo dia tsy maintsy mijoro sy hamirapiratra indray, ary tsy misy afaka ahasàkana izany !


TANY MASINA I MADAGASIKARA !


Hoy ny Tenin'Andriamanitra Andriananahary: "HOTAHINA izay rehetra MANISY SOA ANAO, fa HOZONINA kosa izay rehetra MANOZONA ANAO" (Genesisy 12:3)


Antananarivo, Vohitra Masina, faha-06 Novambra 2011.


Ny Prince Rev. Dr. Ndriana RABARIOELINA,
Filohan' ny Fiombonamben' ny Zanakandriana sy Ampanjaka eto Madagasikara.