jeudi 4 février 2021

TANTARAN' ANDRIANA ETO MADAGASIKARA : NY FANDOVANA FANJAKANA



Ny Mpanjaka ANDRIANTSITAKATRA (c.1200-1225 AD) nanjaka sy nanitatra fanjakana tao Ambohitsitakatra no anisan' ny razamben' ny Mpanjaka Merina sy ny Mpanjakan' i Madagasikara.

Ny Mpanjaka ANDRIANERINERINA LAHIMATOAN'IMERINA (c.1225-1250 AD), izay Fianakavian' ny Mpanjaka ANDRIANTSITAKATRA, no Mpanjaka Merina voalohany teto Imerina ary nanjaka tao Kilonjy ary nafenina ao Anerinerina, Kominina Ambohimalaza, ao Avaradrano Zokin'Imerina. 

Ny Fanjakan' Imerina dia efa nisy tamin' ny andron' ny Mpanjaka ANDRIANERINERINA (c. 1225-1250 AD).

Ny Mpanjaka ANDRIANDRAVINDRAVINA (1250-1275 AD) nanjaka tao Angavo sy ny Mpanjaka ANDRIANORANORANA (1275-1300 AD) izay lasa nifindra monina ary nanjaka any Maroantsetra sy Nosy Mangabe, dia samy
Taranaky ny Mpanjaka ANDRIANDRAMBONDANITRA.

Ny tarànany Mpanjaka ANDRIAMANJAVONA dia nanjaka tao Angavo ary ny Mpanjaka ANDRIANANJAVONANA (c.1300-1325 AD) dia nanjaka tao Anandribe. Izy ireo dia Taranaky ny Mpanjaka ANDRIANDRAVINDRAVINA.

Ny Tarànany Mpanjaka ANDRIANAMPONGANDANITRA (c.1325-1350 AD) dia nifindra monina ary nanjaka tao Ifanongoavana. 

Ny tarànany Mpanjaka ANDRIANAMBONIRAVINA (c.1350-1375 AD) dia nanjaka tao Beravina.

Ny Mpanjaka-Mpisorona ANDRIAMORAONY (c.1375-1380 AD) ary ny Mpanjaka ANDRIANDRANOLAVA (c.1380-1400 AD) dia nifandimby nanjaka tao Ambatondrakorika.

Ireo Tarànany Mpanjaka RAFANDRANA, Mpanjaka RAFANDRANDAVA, Mpanjaka RAMASINDOHAFANDRANA, Mpanjaka RAFANDRAMPOHY, RAFANDRAMANENITRA sy ny Mpanjaka RAFARAMAHERIOMBY dia nifindra monina ary nifandimby nanjaka tao Ampandrana (c.1400-14750 AD). Ary nandimby azy ny Mpanjaka ANDRIANTSARADOLO (c. 1475-1500 AD). 

Ny tarànany Mpanjaka RANGITAMANJAKATRIMOVAVY (c.1500-1525 AD) dia nifindra monina ary nanjaka tao Imerimanjaka.

Ny tarànany Mpanjaka RAFOHY (c.1525-1550 AD) dia nifindra monina ary nanjaka tao Alasora ary nodimbiasin' ny zanany Mpanjaka ANDRIAMANELO (c.1550-1575 AD).

Ny tarànany Mpanjaka RALAMBO (c.1675-1600 AD) dia nifindra monina tao Ambohidray-Ambohimalaza sy nanjaka tao Ambohidrabiby Hasin'Imerina ary namorona ny Fanjakana Imerina Roa Toko. 

Ny Mpanjaka RALAMBO no nametraka ny Fizokiana toy izao amin'ireo Fianakavian' ny Mpanjaka, izay tsy azo hovaina :

1 - ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA LAHIMATOAN'IMERINA, 
2 - ZANADRALAMBO,
3 -  ANDRIANAMBONINOLONA, 
4 - ANDRIANDRANANDO.



Araka ny Soatoavina Andriana Merina navelan' ny Mpanjaka ANDRIANERINERINA ary nohamafisin' ny Mpanjaka RALAMBO dia

ANDRIANDAHY, ANDRIANDRAY ANDRIANDRENY, ary Taranaka mivantana avy amin' ny Masina Mpanjaka-Mpisorona ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA LAHIMATOAN'IMERINA (c.1600-1610 AD) Tompon' ny Tranofohiloha, Tranomanara, Tranomasina, sady Taranaka mivantana avy amin' ny Masina Mpanjaka ANDRIANJAKA (c.1610-1630 AD) ao Avaradrano Zokin'Imerina, irery ihany no mahazo manjaka eto Imerina sy eto Madagasikara ary tsy azo hovana. Fa izay manova dia voaozona.

TANY MASINA I MADAGASIKARA !

"... SAMBATRA IANAO RY TANY RAHA NY MPANJAKA LAHY DIA ZANAK'ANDRIANA...".

"... NY MPANJAKA LAHY MANJAKA ARAKA NY FAHAMARINANA ARY IREO ZANAK'ANDRIANA MITONDRA ARAKA NY RARINY...".

Dia ho an'ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !

Antananarivo, Vohitra masina, faha-29 Febroary 2020.

Ny Mpanjaka NDRIANA RABARIOELINA,
avy amin' ny Lahimatoan' Imerina, 
Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Andriana Merina,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.