jeudi 24 décembre 2020

FAMINDRANA ZAKA SY FAMINDRANA FAHEFANA HO AN'NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA avy amin' ny LAHIMATOAN' IMERINA (taona 2015)

 "... SAMBATRA IANAO, RY TANY, RAHA NY MPANJAKA LAHY DIA ZANAK' ANDRIANA...".


FAMINDRANA JAKA SY FANDOVA-PANJAKANA miaraka amin'ny Tehim-panjakana, araka ny SOATOAVINA ANDRIANA navelan' ireo Razambe Mpanjaka, dia Ny MASINA MPANJAKA ANDRIANTOMARA (c. 1000 AD), Ny MASINA MPANJAKA ANDRIANERINERINA Lahimatoan'Imerina (c.1280-1300 AD), Ny MASINA MPANJAKA RALAMBO (c.1575-1600 AD),


nataon' Ny ANDRIANA RALITERA Etienne,

avy amin'ny Lahimatoan'Imerina,

Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Andriana Merina,

Lehiben'ny Fiombonambe Taranaka Andriana Miray eto Madagasikara,


 tamin'


 Ny MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA, 

Avy amin'ny Lahimatoan'Imerina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina, 

Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara,


avy amin' ny Mpanjaka-Mpisorona ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA Lahimatoan' Imerina, Tompon' ny Tranofohiloha, Tranomanara, Tranomasina, sy avy amin' ny Mpanjaka ANDRIANJAKA nanorina ny Rova Antananarivo,


teo anatrehan' IREO ANDRIANDEHIBE ZOKIOLONA FOTSY VOLO AMIN' NY TANY sy IREO FILOHAN' NY FIKAMBANANA ANDRIANA MERINA


ary Ny Ndrenony RAMAHASITRAKARIVO Ampanjaka Be ANTEMORO sy ireo AMPANJAKA Solontena avy any amin' ny Faritra ary ireo ZANAKANDRIANA nasaina manokana.


"... SAMBATRA IANAO RY TANY RAHA NY MPANJAKA LAHY DIA ZANAK'ANDRIANA...".


"...NY MPANJAKA LAHY MANJAKA ARAKA NY FAHAMARINANA ARY IREO ZANAK'ANDRIANA MITONDRA ARAKA NY RARINY...".


TANY MASINA I MADAGASIKARA!


DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY MANDRAKIZAY !


lundi 21 décembre 2020

NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA : IREO NOSY REHETRA MANODIDINA DIA AN' NY FANJAKAN'I MADAGASIKARA

FANAMBARANA 


 NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA, 

AVY AMIN' NY LAHIMATOAN'IMERINA,

LEHIBEN'NY FIANAKAVIAMBEN'NY ANDRIANA MERINA, 

LEHIBEN'NY FIOMBONAMBEN' NY AMPANJAKA ETO MADAGASIKARA,


DIA MANAMAFY FA 


1)  IREO NOSY REHETRA MANODIDINA AN' I MADAGASIKARA (EUROPA, BASSAS DA INDIA, JUAN DE NOVA, GLORIEUSES, TROMELIN, ...) DIA EFA AN' NY RAZAMBEN' NY  MPANJAKAN' I MADAGASIKARA, TOMPONTANY MALAGASY EFA HATRY NY ELA BE TALOHAN' NY NAHATERAHAN' I JESOA KRISTY.


2) NOHAMAFISINA AMIN'NY ANARANY TENY NENTI-PAHARAZANA MALAGASY IRETO NOSY MALAGASY IRETO :


- NOSY AMPELA (Europa).

- NOSY BEDIMAKY (Bassas da India).

- NOSY KELY (Juan de Nova).

- NOSY SAMBATRA (Glorieuses).

- NOSY SANDY (TROMELIN).


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA dia nanambara ary nanamafy fa an'i MADAGASIKARA sy ny TOMPONTANY  MALAGASY koa ny Nosy SANDY (Tromelin) satria 80 Malagasy eo no nipetraka voalohany tao ary 60 Malagasy eo tamin' ireo no milevina ao.


NY TANY MANANA NY HASINY,

NY NOSY MANANA NY TOMPONY.


TANY MASINA I MADAGASIKARA !


"...RAHA ILAY MPAHARY NO MIARAKA AMINAO, IZA NO HAHATOHITRA ANAO...".


"... MITSANGANA MIHAZAVÀ FA TONGA NY FAHAZAVANAO ARY NY VONINAHITR'ILAY MPAHARY EFA MIPOSAKA AMINAO...".


DIA HO AN'ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY MANDRAKIZAY !


Antananarivo, Vohitra masina, faha-12 Desambra 2020.


NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

LEHIBEN'NY FIANAKAVIAMBEN'NY ANDRIANA MERINA,

LEHIBEN'NY FIOMBONAMBEN' NY AMPANJAKA ETO MADAGASIKARA.


Fanamarihana : 


 Ny Fivoriamben' ny FIRENENA MIKAMBANA (ONU) dia efa nanamafy tamin'ny Fehin-kevitra N.34/91 tamin'ny 12 Desambra 2020 fa an'i Madagasikara ireo Nosy efatra manodidina (Europa, Glorieuses, Juan de Nova, Bassas da India).


 Loharano :

- Fianakaviamben'ny Andriana Merina, 2009-2020.

- Fiombonamben'ny Ampanjaka eto Madagasikara, 2010-2020.

- Symposium National Nosy Malagasy, Antananarivo 2016.

- Dinika Nasionaly Nosy Malagasy, CCI Ivato 2019.

- Vaomiera Nasionaly Nosy Malagasy, 12 Desambra 2020.



vendredi 4 décembre 2020

TANTARAN' NY ANDRIANA ETO MADAGASIKARA : OLOMANGA-PIRENENA SY SANGANY ARY TIA TANINDRAZANA (Taonjato faha-20 sy 21)



Taorian'ny Fanjanahantany  nataon' ireo mpanjanantany frantsay tamin'ny 06 aogositra 1896 dia maro ny ANDRIANA sy ny Ampanjaka tany amin'ny faritra maro hafa teto Madagasikara izay niady tamin'ny famerenana ny fahaleovantenan'i Madagasikara tamin'ny fomba maro samihafa


Ny MENALAMBA notarihin'ny ANDRIANA dia niady tamin'ny mpanjanahantany frantsay tany amin'ny faritra maro teto Madagascar tamin'ny Taona 1896-1905. Ny Andriana RAMASY avy any Ambohiboahangy-Ambohimalaza avy amin'ny fianakavian'i Ny Andriantompokoindrindra no anisan' ny mpanohana lehibe nitarika azy ireo.


Manaraka izany, Ny Andriana Jean-Baptiste RAZAFINDRAINIBE (1860-1943), avy amin' ny Andriantompokoindrindra Lahimatoan'Imerina, 16 Hrs, miliardera, Governoran'  Imerina, dia nanampy ny Alliés tamin'ny fanomezana 02 Tapitrisa Franc-Or ho fanoherana ireo Nazis tamin' ny Ady lehibe Voalohany tamin'ny 1914-1918 . Mbola nanome Fanomezana mihoatra noho ny Fianakaviana Rothchild na Rockfeller izy. Ary niady izy mba hahazo ny fahefana politika aorian'ity Ady lehibe Voalohany ity.


Taorian'izay, Ny Andriana Pastora RAVELOJAONA (1879-1956), avy amin'ny Fianakavian'andriana Zanadralambo amin'Andrianjaka, olokendry, Manam-pahaizana, Manampanahy, Manam-pahalalana, dia niady tamin'ny Famerenana ny Fahaleovanten' i Madagasikara nanomboka tamin'ny Taona 1913. Izy dia voafidy ho solontenan'ny Madagasikara tamin'ny taona 1939-1941. 


Avy eo, ny Fikambanana miafina nasionalista VY VATO SAKELIKA (VVS) dia nitolona tamin'ny famerenana ny fahaleovantena an'i Madagasikara tamin'ny Taona 1913-1922. Ny Andriana Dr Joseph RAVOAHANGY ANDRIANAVALONA (1893-1970) an'ny Fianakaviana Andriamasinavalona sy Ny Andriana Dr Émile RASAKAIZA (1894-1972) avy amin'ny Fianakaviana Andriandranando no isan'ireo Mpitarika azy ireo.

Ny Andriana Dr Joseph RAVOAHANGY ANDRIANAVALONA dia anisan'ny Malagasy roa voafidy ho Solontenan' i Madagasikara tao amin'ny Antenimieram-pirenena Frantsay tamin'ny Taona 1945-1951. Ary niady mafy koa izy amin'ny Fomba tsy mampiasa basy ho Fiverenan'ny Fahaleovantena tanteraka an' i Madagasikara nanomboka tamin'ny Taona 1913.

Ny Andriana Dr Émile RASAKAIZA, Doctor of Medicine sady Doctor of Stomatology, dia Mpitolona Tia Tanindrazana, mamy hoditra eo amin' ny fiarahamonina, Tia Olona Sady Tian' ny olona, niezaka hatrany hiasa ho an'ny Vahoaka Malagasy. Nogadrain'ny mpanjanantany frantsay tamin' ny Raharaha VVS sy ny Tolona 1947 Ary ny Raharaha Aprily 1971. Izy no Malagasy Ben' ny Tanàna an' Antsirabe voalohany. Ary avy eo lasa Pasteur tao Manazary Avaradrano.

Ny Andriana Lucien ANDRIAMISEZA (t.1913), avy amin'ny fianakavian'andriana Andriamasinavalona, namorona ny Antoko Nasionalista Malagasy (PANAMA), dia nitolona tamin'ny famerenana ny Fahaleovantenan'i Madagasikara, na dia tamin'ny hetsika miaramila aza, ary niady tamin'ny fitondran'ny Fanjanahan-tany frantsay nanomboka tamin'ny 1941 .


Manaraka, Ny Andriana Pierre RAZAFY-ANDRIAMIHAINGO (1914-1997), Lehiben' ny Fikambanana Andriandranando, olo-manan-kaja, Manam-pahaizana, Manam-pahalalana Manamboninahitra Ambony, Officier of Artillery, Kapiteny ao amin'ny tafika frantsay tamin'ny 1939, mpikambana tamin'ny fanoherana ny Nazi nandritra ny Ady Lehibe Faharoa , Architect- Urbanist DPLG, nahazo diplaoma tao amin'ny Center des Hautes Études Administratives an'ny École Nationale d'Administration ENA Paris, no Malagasy voalohany nanao Fanambarana tany ivelany ho amin'ny fiverenan'ny Fahaleovantena an'i Madagasikara tamin' ny volana desambra 1945. Izy no Filoha-Mpanorina ny Holafitry ny Architects eto Madagasikara. Izy no namorona ny Plan d'Urbanisme an' Antananarivo, Mahajanga, Diego Suarez, Toamasina, Fianarantsoa, Toliara, ary Antsirabe. Ary lasa Ambasadaoron'i Madagascar tany United-Kingdom, France, Italia, Greece, Turkey, Spain, Portugal, Saint-Siège, Israel, ary Andrim-panjakana iraisam-pirenena maro izy.


Ny Andriana Emmanuel RAZAFINDRAKOTO (1903-1993) filoha lefitry ny Fianakavian'andriana Andriandranando, Tompon'Orinasa, nasionalista mafana fo ary tia tanindrazana, dia niasa ihany koa ho amin'ny famerenana ny Fahaleovantenan'i Madagasikara. Na dia naiditra am-ponja sy nampijalian'ny fiitondrana frantsay mpanjanaka aza izy dia nitsangana sy nijoro hatrany.


Avy eo, ny Mouvement Démocratique de la Rénovation Malgache (MDRM na MADERA MENA), Fikambanana nasionalista Malagasy izay noforonina tamin'ny Taona 1946 teo ambany fitarihan'ny Andriana maro, toy ny Ny Andriana Dr. Joseph RAVOAHANGY ANDRIANAVALONA miaraka amin'i Ny Andriana Olivier RAZAFINDRATANDRA avy amin'ny Fianakavian' Andriamasinavalona, Ny Andriana RATOLOJANAHARY atao hoe RAZATOVO Aimé sy Ny Andriana RAKOTOMANGA antsoina hoe Robert Lapidaire avy amin'ny Fianakavian'andriana Andrianonitomponintany sy Ny Andriana Martin RAKOTOVAO avy amin'ny Fianakavian'Andrianamboninolona dia niady tamin'ny alàlan' ny Tolona tsy mampiasa basy mba hamerenana ny fahaleovantenan'i Madagasikara.


Ny Andriana Generalissime Samuel RAKOTONDRABE (1901-1948), mpanankarena miliardera, mpitari-tolona, Mpamatsy ara-bola ireo Malagasy miady miaraka amin'ny basy ho Famerenana ny Fahaleovanten'i Madagasikara tamin'ny taona 1947. Izy no fahavalo voalohany an' ireo mpanjanantany frantsay ary notifiriny tamin'ny 19 Jolay 1948.


.Ny Andriana Émile RAMAROSAONA (1923-2009), avy amin'ny Fikambanana Zanadralambo amin'Andrianjaka, Manampahaizana, tena mavitrika, mpitarika Olona,  nahay tenim-pirenena maro, nahazo diploma tao amin'ny Ecole Supérieure de Commerce de Paris (ESCP), Mpahay lalàna, nanao D.E.S. en Économie Politique tany France, Ary Mpitarika ny Kongresy ho an'ny Fahaleovantena an' i Madagasikara tany Toamasina, volana April 1956.


Marihiana fa ny Lalàna Fanjanahantany nataon'i Lafrantsa an'i Madagasikara dia nofohànana tamin'ny 14 Octobra 1958.


Ny Andriana Alfred RAMANGASOAVINA (b.1917) avy amin'ny Fianakaviana Zanadralambo amin'Andrianjaka, Manam-pahaizana, Manam-pahalalàna, nahay tenim-pirenena maro, brillant, nahazo diploma tao amin'ny Institut d'Etudes Politiques de Paris (Sc. Po. Paris) ary Docteur en Droit (Paris), dia lasa Filoha-Lefitra tamin' ny Repoblika voalohany an'i Madagasikara tamin'ny Taona 1960-1970, lasa Ministra ny Fitsarana tamin'ny Taona 1960-1969 Ary nanamboatra ny Code Civil Malagasy, Ary lasa Ministra ny Fampahalalam-baovao tamin'ny taona 1970.


Ny Andriana Josoa ANDRIANTSITOHAINA (1896-1976), avy amin'ny Fianakaviana Andriandranando, Mpitantana Orinasa, no lasa Grand Chancelor of the National Order of Madagascar, Grand Cross of First Class of the National Order of Madagascar, voalohany tamin'ny Repoblika Voalohany tamin'ny Taona 1960-1972.


Ny Andriana Dr. Joseph RAVOAHANGY ANDRIANAVALONA dia voafidy ho Solontenan' Antananarivo tamin'ny volana Septembra 1960,  taorian'ny fanagadrana sy ny sesitany nataon' ireo Mpanjanantany frantsay azy tamin'ny Taona 1947-1959 rehefa nisy Tolona ho Fanafahana an'i Madagasikara tamin'ny taona 1947. Avy eo izy dia lasa Ministra ny Fahasalamana tamin'ny ny Repoblika Voalohany tamin'ny Taona 1961-1970.


Ny Andriana Division General Roland RABETAFIKA (1929-1991), avy amin'ny Fianakaviana Andrianamboninolona, Officier niofana tany Saint-Cyr, Manamboninahitra nahay indrindra manerana an'i Afrika tamin' izany fotoana, Tale Jeneralin' ny Governemanta tamin'ny Taona 1972-1975, ary niampy Andriana manampahaizana sy Manam-pahalalàna no namelona indray ny Fianakaviambe tamin'ny Taona 1980-1990.


Ny Andriana Blaise RABETAFIKA (1932-2000), avy amin'ny Fianakaviana Andrianamboninolona, izay Ambassadaoron'i  Madagascar tany amin'ny Unesco, Canada, Cuba sy ny Firenena Mikambana (UN) tamin'ny taona 1963-1992 ary Zokiolona indrindra amin' ireo Ambassadaoro rehetra tao amin'ny Firenena Mikambana (UN, New-York), no Olona tokana erantany lasa Filohan'ny Filankevitry ny Fandriampahalemana indroa teo anivon' ny Firenena Mikambana (UN, 1985 sy 1986), no sady nahazo ny Amboara International Golden Mercury Prize natokana ho an' ny Mpitondra firenena vitsy dia vitsy


Ny Andriana Pierre Longin RAMAHATRA (1917-2005), avy amin'ny Fianakaviana Andriamasinavalona, no lasa Grand Chancelor of the National Order of Madagascar, Grand Cross of First Class of the National Order of Madagascar, tamin'ny Repoblika Faharoa tamin'ny Taona 1975-1991.


Ny Andriana Blaise RABETAFIKA, Ambassadaron' i  Madagasikara tao amin'ny Firenena Mikambana (UN, New-York) sy Ny Andriana Raymond RANJEVA (t.1942), avy amin'ny Fianakaviana Andriamasinavalona, Professeur Agrégé de Droit et Sciences Politiques, no Solontenan' i Madagasikara tamin'ny Fanambarana nataon' izy ireo teo anivon'ny Firenena Mikambana (UN) izay namoaka Fanapaha-kevitra N.34/91 tamin'ny 12 Desambra 1979 fa ireo Nosy efatra manodidina (Juan de Nova, Bassas de India, Glorioso, and Europa) dia an' i Madagasikara. 


Ny Andriana Émile RAMAROSAONA ary Ny Andriana Colonel Roland RABETAFIKA (1929-1991) no namorona ny tamin'ny Taona 1990-1991 ny HERY VELONA hanavotana ny firenena vokatry ny Tsy fahaiza-mitantana sy ny Halatra goavana ary ny Didy jadona tamin'ny Repoblika Faharoa (1975-1991). 


Ny Priministra Guy Willy RAZANAMASY (1928-2011), avy amin'ny Fikambanana Andriamasinavalona, Farmasiana, Mpitantana Orinasa,  mpampihavana, no nitarika ny Governemanta firaisam-pirenena tamin'ny taona 1991-1993 avy amin'ny Fifanarahana tamin'ny 31 Octobra 1991 taorian'ny tsy fahombiazana sy ny fianjeran' ny Repoblika Faharoa.


Ny Andriana Joseph RAMAMBASOA (1925-1998), avy amin'ny Fianakaviana Andriandranando, nandalina Fianarana sy Theology tao amin'ny Westhill College of Education, University of London sy Cambridge University, Filohan'ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM), efa Filohan'ny Fiombonamben'ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM), no lasa Grand Chancelor of the National Order of Madagascar, Grand Cross of First Class of the National Order of Madagascar, tamin'ny Repoblika Fahatelo tamin' ny Taona 1993-1996.


Ny Andriana Radama RASOLOARIVONY (t.1960), avy amin'ny Fianakaviana Andriandranando, lehilahy Malagasy tokana nandalina Fianarana Avo lenta tao amin'ny Institut d'Etudes Politiques de Paris (Sc.Po. Paris) sy ny École Nationale d'Administration de France (ENA, Paris), Manam-pahaizana, Manam-pahalalana, tena mahavita azy, dia nihaona manokana tamin' Andriamatoa Michel CAMDESSUS, Tale Jeneralin'ny International Monetary Fund (IMF) tao amin'ny biraony tany Washington DC, taorian'ny Famatsiambola tsy mazava sy ny fatiantoka ary ny tsy fahombiazan' ny Repoblika Fahatelo, mba hanavotana ny Toekaren' i Madagasikara, tamin'ny 16 Mey 1998.


 Talohan'io fotoana io, tamin'ny alàlan'ny fihaonana nataony tamin' Atoa Howard PERLOW Ambasadaoro vonjimaika Amerikana (Chargé d'affaires)  teto Madagasikara tamin'ny 1997, dia nahazo koa ny fanafahana 450 tapitrisa Dollar USD izay nogiazan' ny mpampindra-bola Amerikana tao amin' ny Eximbank New York ary ny Fiaramanidina Boeing 747 Air Madagascar, izay nogiazan' ireo mpampindra-bola Amerikana, dia afaka nanidina indray.


Taorian'ny nahamay ny Rova Antananarivo nataon' ireo tsy valahara sy mpamadika Tanindrazana, tamin'ny 06 Novambra 1995,


Ny Andriana  Pasteur Tolotra RATEFY (t.1950), avy amin'ny Fianakaviana Andriantompokoindrindra Lahimatoan'Imerina, nandalina Theology tao amin'ny Wilhelm  Westphalische University of Munster, Alemana, Olokendry, Manam-pahaizana, Manam-pahalalana, no Mpitandrina ao amin' ny Tempoly Anatirova Antananarivo, ary Theolojiana, Mpahay Tantara, Mahay Tenim-pirenena maro, Mpahay Theolojia Politika, Grand Cross of the National Order of Madagascar, 


 Ny Prince Ndriana RABARIOELINA (t.1963), avy amin' Ny Fianakaviana Andriantompokoindrindra Lahimatoan'Imerina, no nanangona indray ireo Fikambanana Andriana Merina sy ireo Ampanjaka ary ny Fikambanana Taranaka Andriana Miray eto Madagasikara ny Taona 1996-2020,. 


Manaraka izany, izy dia nandray anjara tamin'ny Famerenana ny Firaisam-pirenena teto Madagasikara niaraka tamin' ireo Jeneraly maro nanohitra sy nanafaka tamin' ny fitaova-piadiana mahery vaika ireo Faritra nobahanan' ireo mpanao politika nampiasa miaramila hampisarabazana ny firenena tamin'ny Taona  2002.


Avy eo izy roa zareo dia nihaona tamin' Ny Andriana Étienne RALITERA (1938-2017), avy amin'ny Fianakaviana Andriantompokoindrindra Lahimatoan'Imerina, mpampihavana, ho lasa Lehiben'ny Fiombonamben'ny Taranaka Andriana Miray eto Madagasikara, tamin'ny Taona 2003-2015.


Ny Andriana Étienne RALITERA, Grand Chancelor of the National Order of Madagascar tamin'ny Taona 2002-2015, Grand Cross of the First Class of the National Order of Madagascar, dia nihaona tamin'ny His Excellency Mr. KOFFI ANNAN sy His Excellency Mr. BAN KHI MOON Secretera Jeneraly nifandimby tao amin' ny Firenena Mikambana (UN) sy His Serenissime Altess Prince ALBERT DE MONACO teto Madagasikara. 


Ny Andriana Professor Lala RABARIOELINA (b.1930), avy amin'ny Fianakaviana Andriantompokoindrindra Lahimatoan'Imerina, Manampahendrena, Manam-pahaizana Manam-pahalalana, Professeur Agrégé de Médecine, no lasa Grand Chancelor of the National Order of Madagascar, Grand Cross of the National Order of Madagascar tamin'ny Taona 2017-2019.


Ny MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA (t.1963), avy amin'ny Lahimatoan'Imerina, Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Andriana Merina, Lehiben'ny Fiombonamben'ny Taranaka Andriana Miray eto Madagasikara, Lehiben'ny Fiombonamben'ny Ampanjaka eto Madagasikara, dia nihaona tamin'ny Mpanjaka vahiny mi-isa zato (100)  mahery tany ivelan'i Madagasikara tany amin'ny Firenena Roambinifolo.


"... MITSANGANA, MIHAZAVÀ, FA TONGA NY FAHAZAVANAO ARY NY VONINAHITR'ILAY MPAHARY EFA MIPOSAKA AMINAO...".


"... NY MPANJAKA LAHY MANJAKA AMIN'NY FAHAMARINANA ARY IREO ZANAK'ANDRIANA MITONDRA ARAKA NY RARINY...".


(Hitohy)


DIA HO AN'ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY MANDRAKIZAY !


Antananarivo, Vohitra masina, faha-21 Novambra 2020.


Ny MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Andriana Merina,

Lehiben'ny Fiombonambe Taranaka Andriana Miray eto Madagasikara,

Lehiben'ny Fiombonamben'ny Ampanjaka eto Madagasikara.


Loharano / Sary : E. Ramarosaona, B. Rabetafika, E. Ralitera,  L. Rabarioelina, P. Razatovo, M. Razafindrakoto, J.P. Razafy-Andriamihaingo, J. Randrianaridera, R. Rasoloarivony, A. Ramambasoa, S. Andriantsitohaina, M. R. Rakotomanga, A. R. Andriantsihafa.




(C) Copyright : Ndriana Rabarioelina.

mercredi 2 septembre 2020

FANOSORONA NY MPANJAKA RABARIOELINA Ndriana, avy amin' ny LAHIMATOAN'IMERINA, LEHIBEN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA (Taona 2015)

 "... SAMBATRA IANAO, RY TANY, RAHA NY MPANJAKA LAHY DIA ZANAK'ANDRIANA...".


NY SAOTRA, NY DERA, NY FAHENDRENA, NY HERY, NY LAZA, NY TANJAKA ary NY VONINAHITRA, HO AN'ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY 


satria vita soamantsara NY FANOSORONA MPANJAKA nataon' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY, tamin' ny Taona 2015, 

araka ireo TENY FIKASAN' ILAY MPAHARY izay MI-ISA FITO, tao anaty DINGANA FITO nandritra ny TAONA MARO nanomboka tamin'ny Taona 1996, ho an' 


Ny MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

Andriandahy, Andriandray Andriandreny,

Avy amin' ny Lahimatoan' Imerina,

Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Andriana Merina,

Lehiben'ny Fiombonamben'ny Ampanjaka eto Madagasikara,


araka ny Hafatr' ireo Razambe Ny Masina Mpanjaka ANDRIANTOMARA (c.1000 AD), Ny Masina Mpanjaka ANDRIANERINERINA Lahimatoan'Imerina (c.1280-1300 AD) ary Ny Masina Mpanjaka RALAMBO (c.1575-1600 AD), ary tsy maintsy Andriandahy avy amin' izy ireo, avy amin' ny Lahimatoan' Imerina, ao AVARADRANO ZOKIN' IMERINA,


avy amin' Ny Masina Mpanjaka Mpisorona ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA Lahimatoan'Imerina, Tompon' ny Tranomanara, Tranofohiloha sy Tranomasina, ao amin' ny Rova Ambohimalazabe, ary avy amin' Ny Masina Mpanjaka ANDRIANJAKA izay nanorina ny Rova Antananarivo, samy avy ao Avaradrano Zokin' Imerina,


izay nataon' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY teo anatrehan'ireo ZANAKANDRIANA nasaina manokana sady Vavolombelona tao amin'ny ROVA AMBOHIDRABIBY HASIN'IMERINA, ao Avaradrano Zokin' Imerina.


Tao anatin' ireo DINGANA FITO nandritra ny Taona maro ireo :


1 - Ny TENY FIKASAN ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY izay nolazainy mivantana tamin' ny Andriana Raiamandreny am-panahy, Zokiolona indrindra (1918-1998) ny Toby Ankaramalaza, efa nampiakariny im-pito tany an-danitra fahiny, izay nambarany tamin' ny volana Desambra 1996,  

. Voalohany, tamin' Ny Andriana Mpitandrina Daniel RATEFY (1913-1995), Raiamandreny am-panahy lehibe eto amin' ny tany sy ny firenena, Zokiolona, avy amin' Ny Andriantompokoindrindra Lahimatoan' Imerina, efa nitety firenena roambinifolo ambizato (120), ary nambarany ho an' Ny Mpanjaka Ndriana Rabarioelina ny Taona 1981.


. Faharoa, tamin' Ny Mpitandrina RAZAFINDRAKOTO Gabriel, Raimandreny ara-panahy Zokiolona (1919-1986), Taranaka Mpisorona, Andriamasinavalona avy ao Antanamalaza, Fanjakana Merina, nandalina Theology tany Montpellier sy efa tany Suisse sy Israël, izay nahay Tenim-pirenena fito, ary nambarany tamin' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA ny volana Aogositra 1986, 


. Fahatelo, tamin' i Mama VOLAHAVANA Germaine na Mama NENILAVA (1918-1998), Zokiolona Raiamandreny ara-panahy Tobilehibe Ankaramalaza, Taranaka Mpisorona, avy amin' ny Fanjakana Antemoro, nahay Tenim-pirenena roambinifolo, izay efa maty im-pito ary efa nampiakarin' Andriamanitra im-pito tany an-danitra, efa tany United-States of America, France, ary nihaona tamin' ny Mpanjaka Olav V tany amin' ny Lapan' Andriana tany Oslo, Fanjakan'i Norvezy, ary nambarany tamin' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA ny volana Desambra 1996, 


- Fahaefatra, tamin' Ny Andriana Cardinal Armand Gaëtan RAZAFINDRATANDRA, Raiamandreny ara-panahy Zokiolona (1925-2010), avy amin' Ny Andriantompokoindrindra Lahimatoan' Imerina ao Ambohimalaza sy avy amin' Ny Andriamasinavalona, Fanjakana Merina, ary nambarany tamin' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA ny volana Jolay 2007.


. Fahadimy, tamin' Ny Andriambavy RAVOLAZAIMANGA Bernadette (teraka 1932), 91 taona mahery, Raiamandreny ara-panahy, avy ao Ambalavao, Fanjakana Betsileo, Zokiolona indrindra amin' ny Tobilehibe Ankaramalaza sy ny Tobilehibe Manolotrony (FFPM), ary nambarany tamin' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA ny taona 2009-2010.


. Fahaenina, tamin' ny Andriambavy RASOAZANAKOLONA Hélène na Mamafara, Raiamandreny am-panahy Zokiolona (1924-2017) ao amin' ny Toby Namahanambasy-Ambohitompoina (FLM), Fanjakana Ivakinankaratra Imerinatsimo, izay efa maty in-telo ary efa nampiakarin' Andriamanitra in-telo tany an-danitra, ary nambarany tamin' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA ny taona 2012-2015.



. Faha-fito, tamin' ny Andriana Raiamandreny ara-panahy, avy ao Antambohobe, Fanjakana Betsileo, izay nambarany tamin' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA ny Taona 2016.


2 - Ny FANDRAISANA ANJARA GOAVANA tamin' ny FAMERENENA NY FANDRIAMPAHALEMANA, mba tsy hisian' ny FAMONOANA OLONA FAOBE tamin' ny FAMAHANA ny KRIZY POLITIKA sy ny ADY NIARAKA TAMIN NY BASY AMAN-TAFONDRO, izay nisy Malagasy an-tapitrisa nijaly sy natao fahirano, nisy Malagasy an-jatony nampijalina na naratra na natao fahirano na maty voatifitra, tamin' ny Taona 2002.


3 - Ny FAMETRAHA-TANANA SY TSO-DRANO MANOKANA nataon' Ny Andriana Armand Gaetan Razafindratandra (1925-2010), 80 Taona mahery, avy amin' ny Lahimatoan' Imerina, Zokiolona sady Raiamandreny am-panahin' ny Fianakaviamben' ny Andriana eto Madagasikara, tamin' ny Jolay 2007. 


 4 - Ny FANAMAFISANA NY TENY FIKASAN' ILAY MPAHARY tamin' ny Andriana Raiamandreny ara-panahy Zokiolona indrindra, 90 Taona mahery (1924-2017) tamin' ny Toby Namahanambasy Ambohitompoina Farihimena, izay nampiakarin' Ilay Mpahary in-telo tany an-danitra fahiny, tamin' ny Taona 2012-2015. 


5 - NY FANAMAFISANA NY TENY FIKASAN' ILAY MPAHARY tamin' ny Andriana Raiamandreny ara-panahy Zokiolona indrindra ankehitriny, 90 Taona mahery, teraka tamin' ny Taona 1932 ary nanomoka nanao ny Asan'Andriamanitra tamin' ny Taona 1950, amin' ny Toby Ankaramalaza sady Zokiolona indrindra amin' ny Toby Manolotrony, ary nolazainy tamin' ny Taona 2009-2016.


6 - Marika ny FANATREHANA, ny FANKATOAVANA sy ny FANKASITRAHANA ary ny TSODRANO nataon'ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY Ilay FAHAZAVANA LEHIBE SY MAHERY nidina avy any an-danitra tamin'izany FANOSORANA MPANJAKA teo amin' ny Rova Ambohidrabiby Hasin'Imerina tamin' ny Taona 2015 ary tonga teo aminy naharitra ela, teo anatrehan' ireo Zanakandriana vavolombelona nanatrika izany. FAHAZAVANA LEHIBE SY MAHERY izay AVO FOLO HENY NOHO NY FAHAZAVAN' NY MASOANDRO niposaka maraina avy any Atsinanana, tamin' io fotoana io.

Tsy olombelona mpanota no miantso sy mifidy sy manendry ary mampanao ny Fanosorana Mpanjaka, fa ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY izay mametraka marika sy Famantarana hita maso tsy hain' ny olombelona halain-tahaka !


7 - Ny FAMINDRANA ZAKA SY FANDOVANA FANJAKANA ARY NY FANOMEZANA NY TEHIM-PANJAKANA nataon' Ny Andriana RALITERA Etienne tamin' Ny Andriana RABARIOELINA Ndriana, Lehien' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina, Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara, teo anatrehan' IREO ANDRIANDEHIBE ZOKIOLONA FOTSY VOLO AMIN' NY TANY sy IREO FILOHAN NY FIKAMBANANA ANDRIANA MERINA  ary Ny Ndregnony RAMAHASITRAKARIVO Ampanjaka Be ANTEMORO sy ireo AMPANJAKA Solontena avy any amin' ny Faritra sy ireo ZANAKANDRIANA nasaina manokana.


Koa NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA dia efa nihaona tamin'ny MPANJAKA VAHINY mi-isa ZATO MAHERY avy amin'ny FIRENENA MARO, TANY IVELAN' I MADAGASIKARA,

Ary EFA NANTSOINA HITARIKA IREO MPANJAKA VAHINY mi-isa ZATO MAHERY tany am-pitandranomasina raha nihaona tamin' ny Filoham-pirenena avy any Amerika, Afrika, Europa, ary Afovoany-Atsinanana.


"... MITSANGANA MIHAZAVÀ FA TONGA NY FAHAZAVANAO ARY NY VONINAHITR'ILAY MPAHARY EFA MIPOSAKA AMINAO...".


"... SAMBATRA IANAO RY TANY RAHA NY MPANJAKA LAHY DIA ZANAK'ANDRIANA...".


"... NY MPANJAKA LAHY MANJAKA ARAKA NY FAHAMARINANA ARY IREO ZANAK'ANDRIANA MITONDRA ARAKA NY RARINY...".


"...HOTAHIANA IZAY MANISY SOA ANAO, ARY VOAOZONA IZAY MANAO RATSY ANAO...".


TANY MASINA I MADAGASIKARA !


DIA HO AN'ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA, MANDRAKIZAY MANDRAKIZAY !


Ambohidrabiby Hasin'Imerina, Vohitra masina,

Avaradrano Zokin' Imerina, 

Septambra 2015. 

mercredi 11 mars 2020

NY FAHAMARINANA MANANDRATRA NY FIRENENA

FANAMBARANA :

Ny Prince Dr. NDRIANA RABARIOELINA, avy amin' ny Lahimatoan'Imerina, Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara, dia manao Fanambarana fa ny Fifidianana rehetra nanomboka tamin' ny Taona 1958 ka mandraka ankehitriny 2020 dia feno hosoka sy halabato goavana.

Ary aoka izay ny Fanapotehina ny firenena sy ny fanjakazakan' ny vahiny mpanjanantany izay manitsakitsaka ny fiandrianam-pirenena, mpanota fady, tsy manaja ny Soatoavina malagasy, mpangalatra tany sy nosy, ary mpanototra tanimbary. 

Koa ny Fahatahorana an'Andriamanitra sy ny Fanajàna ny Soatovina malagasy irery ihany, amin' ny Fijoroan' ny FANJAKAN' I MADAGASIKARA, no vaha-olana tokana ho Fampandrosoana indray ny firenena. Koa manainga ny Tia Tanindrazana rehetra hijoro hiaro ny Fahamarinana sy ny Tanindrazana !

"NY FAHAMARINANA MANANDRATRA NY FIRENENA"
(Ohabolana 14:34).

TANY MASINA I MADAGASIKARA !

Antananarivo, Vohitra masina, faha-07 Marsa 2020.

Prince Dr. NDRIANA RABARIOELINA,
Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara.