dimanche 6 août 2023

TSO-DRANO HO AN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA (2023)

TONGA NY FOTOANA ! 


Miseho eto ankehitriny izao anton- javatra izao mba tsy hisian'ny rà mandriaka eto amin' ny tany sy ny firenena dia ny Andriana no hankasitrahan' Andriamanitra hitondra ny tany sy ny fanjakana fa raha tsy izany tsy mivoatra sy mandroso ary tsy ho sambatra ny firenena iray. 


NY ANDRAIKITRIN'NY MPANJAKA DIA MPITONDRA NY TENIN'ANDRIAMANITRA, MANDAMINA NY DISADISA, MIZARA NY VOKATRA, TOMPON'NY ANTSY BE FANAMPAHANA.


 NY ATAO HOE FANJAKANA DIA FITONDRAM-PANJAKANA MISY MPANJAKA, 


NY MPANJAKA DIA TSY FIDIN'OLONA FA FIDIN'ANDRIAMANITRA ARY OLONA VITA FATI-DRA AMIN'AZY ARY TSY MAINTSY MAHAVITA NY IRAKA AMPANAOVINA AZY, ARY NY MPANJAKA DIA NATAO HANOMPO VAHOAKA FA TSY TOMPOIN'NY VAHOAKA.


ARY ANDRIAMANITRA NO TOMPOM-PAHEFANA FA NY MPANJAKA NO MANAM-PAHEFANA, ARY NY MPANJAKA SY NY AMBANILANITRA NO LEFONA SY AMPINGA ENTIN'ANDRIAMANITRA MIADY HAMPANJAKANA NY FAHAMARINANA.


 NY ZOKIOLONA KOSA NO FEHILOHA. TSY MIDIKA AKORY IZANY HOE AVAHAM- PITIA NY HOVA SY NY ZAZA MANGA FA NY ZAVA DREHETRA MANAN-TANDRIFY, ARY NY LOHA NO MITONDRA NY VATANA SY NY TANANA ARY NY TONGOTRA MANTSY. 


KOA ELA VELONA NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA, LEHIBEN' NY FIANAKAVIAMBEN NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA,  


MAHALEOVA MAHALASANA, HAHAZAKA ADIDY SY ANDRAIKITRA ARY HOMBANAO ANIE ILAY MPAHARY ARAKA ITY TSO-DRANO NOMEN'NY AMPANJAKA ANTEMORO SY NY KATIBO ARY NY ANDRIANA ZOKIOLONA NY MERINA ENIN-TOKO SY IRETO ANDRIAMBE REHETRA IRETO !


Antananarivo vohitra masina,

Sabotsy, 22 Jona 2023.