samedi 2 avril 2022

ARAHABA TRATRY NY TAOMBAOVAO MALAGASY 2022!

 "...ITY VOLANA ITY NO HO VOALOHAM-BOLANA HO ANAREO, DIA HO VOALOHAM-BOLANA AMIN' NY TAONA HO ANAREO ...".

SAMBASAMBA ZANAHARY! ARAHABA TRATRY NY TAOMBAOVAO 6022! NY ANDON' NY LANITRA SY NY TSIRON' NY TANY HO AMINAREO REHETRA ! SAMY HO TRATRY NY ARIVO TAONA MITSINGERINA INDRAY ! DIA SAMY HO TAHIN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY HATRANY! Vita soa amantsara ny Fankalazana an' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY ny andro voalohany amin'ny volana voalohany amin' ny TAOMBAOVAO 6022 izay natao tao AnerinerinaToerana Masina, izay nisy ny MPANJAKA ANDRIANERINERINA LAHIMATOAN' IMERINA (c.1275-1300 AD) Mpanjaka Merina voalohany teto Avaradrano Zokin' Imerina ary razamben' ny Mpanjaka sy andriana Merina rehetra sy ireo Mpanjakan' i Madagasikara. Notanterahina ny Fotoam-pivavahana izay nisy Fizarana ny Tenin' ILAY MPAHARY, nataon' ny Raiamandreny ara-panahy Zokiolona 72 Taona, izay manamafy fa FANJAKA-PISORONA sy FIRENENA MASINA ary TARANAKA VOAFIDY manokana ny andriana eto amin' ny Tany sy ny Firenena, eo anatrehan' ILAY MPAHARY ary manana Adidy Masina sy Andraikitra goavana amin' ny Famonjena ny Firenena. Nohamafisina ihany koa ny TENY FIKASAN' ILAY MPAHARY HO AN' I MADAGASIKARA manokana manao hoe "...MITSANGANA, MIHAZAVA, FA TONGA NY FAHAZAVANAO, ARY NY VONINAHITR' ILAY MPAHARY EFA MIPOSAKA AMINAO..." Nisy koa ny Fanazavana ny Tantara miafin' i Madagasikara, Tany Fototra, izay Tantara mihoatra ny 6000 Taona mahery, hatrany amboalohany, nanomboka tamin' ny Olombelona voalohany ka mandraka ankehitriny. Nisy koa ny Vavaka manokana ho Famonjena ny firenena ary ny Fitondrana am-bavaka sy Tsodrano manokana nataon' ny Andriana Raiamandreny ara-panahy Zokiolona 75 Taona ho an' ny MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA, avy amin' ny Lahimatoan' Imerina, Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara, eo amin' ny Adidy Masina izay nasain' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY ataony, teo anatrehan' ireo Andriana Solontena avy amin' Imerina Enitoko. Avy eo dia nisy ny Tsidibohitra ny Toerana Masina Anerinerina, misy Ny MPANJAKA ANDRIANERINERINA loharanon' ireo Mpanjaka Merina rehetra eto Imerina Eni-Toko, sy ny Fanazavana fa MPANJAKA mi-isa Folo, izay MPANJAKA MERINA sy MPANJAKAN' I MADAGASIKARA, no nipoitra teto amin' ireo Vohitra masina manodidina teto. Nisy koa ny fitazànana ny Dobo Masina ao Andranonandriana izay nitondrana ny rano masina ho an' Anatirova Antananarivo misy an' i Manjakamiadana. Ary natao koa ny TATAO, izay Fihinanana ny VARY TONDRAHAN-DRONONO sy TANTELY ary ny TSO-DRANO, fomba nenti-paharazana efa nandritra ny arivo taona maro nataon' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina, izay notanterahina tao Antananarivo Vohitra masina. DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY ny Voninahitra mandrakizay !

Anerinerina, Ambohimalaza, 01 Aprily 2022.
Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA, avy amin' ny Lahimatoan' Imerina, Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.