lundi 27 mars 2023

LALAMPANORENANA VAOVAO: MANAJA AN' ANDRIAMANITRA SY NY SOATOAVINA MALAGASY

 VAHA-OLANA AVY AMIN' ANDRIAMANITRA HO FAMONJENA NY FIRENENA:


FANAMBARANA:


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA, 

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara, 

dia  nanatrika ny Dinika mikasika ny Tontolo Politika sy ny Fifidianana nokarakarain' ny Komity ny Fifidianana Nasionaly Mahaleotena (CENI) teto Antananarivo ny 24 Marsa 2023,


Ary niara-napetraka teo amin' ny laharana voalohany niaraka tamin' ireo Raiamandreny ara-Panahy sy Olobe teto amin' ny firenena:

. Ny Past. Dr. Irako Ammi Andriamahazosoa, Filohan' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) sady Filohan' ny Fiombonamben' ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM),

. Ny Past. Dr. Denis Rakotozafy, Filohan' ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM),

. Ny Monseigneur Archevêque Dr. Samoela Jaona Ranarivelo, Arsevekan' ny Ekklesia Episkopaly Malagasy (EEM),

. Ny Monseigneur Archevêque Odon Razanakolona, Arsevekan' Antananarivo (EKAR)..

. Atoa Issa Sanogo, Solontenan' ny Firenena Mikambana (United-Nations) eto Madagasikara.


Manoloana ny Krizy lalina amin' ny lafiny ara-lalampanorenana, ara-politika, ara-ekonomika, ara-sosialy, indrindra ny Fahantrana sy ny Fijalian' ny 90% ny Vahoaka Malagasy,

Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA, Raiamandreny eto amin' ny Tany sy ny Firenena, dia manome ny Vaha-Olana ho Famonjena ny Firenena:


1) Fanovana ifotony ny Lalampanorenana, mankatoa an' ANDRIAMANITRA ary manaja ny Fotopisainana sy ny Soatoavina Malagasy,


2) Fametrahana ny Mpanjaka sy ireo Ampanjaka amin' ny toerana tokony hisy azy avy ary ny Fiaraha-miasan' ny Hery Velona rehetra ho Famonjena ny Firenena.


3) Fanangànana ny Fahefana Avo mandrindra ny Fiainam-pirenena, tarihan' Ny Mpanjaka ary misy ny FFKM, ny Olobe manampahendrena ary tena mahay, ny Solontena ny Fiarahamonim-pirenena,


4) Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA sy  ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara dia hiara-hiasa amin' ny FFKM ary ny Hery Velona rehetra eto amin' ny Firenena ho Famonjena ny firenena.


DIA HO AN' ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY, ZANAHARY, MPAMORONA NY LANITRA SY NY TANY, IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !


Antananarivo vohitra masina, 24 Marsa 2023.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.