mercredi 28 septembre 2022

ROVA ANTANANARIVO: MILA HAJAINA NY HASINA SY NY FOMBAN' ANDRIANA ARY NY FANARENANA NATAON' IREO MPANJAKA TAO (2022)

 

ROVA ANTANANARIVO :

TOERANA MASINA SY VAKOKA MANANTANTARA NANDRITRA NY TAONJATO MARO ARY TOKONY HAJAINA NY HASINA SY NY FOMBA NANARENANA AZY ARY NY FADY.

NY FANERENANA DIA TOKONY HATAO AMIN' NY ENDRINY TALOHA NANAOVAN' IREO MPANJAKA AZY NY ROVA AO ANTANANARIVO FA TSY HOVAINA NA HAMPIANA NA HANALÀNA.

FA IREO IZAY TSY MANAJA NY HASINA SY NY FOMBAN' ANDRIANA ARY NY FADY AO ANATIROVA ANTANANARIVO DIA MANOTA FADY ARY HO TRATRY NY LOZA.


KOA MANAINGA NY VAHOAKA MALAGASY REHETRA HIJORO HIARO NY VAKOKA MALAGASY MANAN-TANTARA EFA AN-JATO TAONA MARO IZAY MARIKY NY MAHA-IZY AZY NY KOLOTSAIN' NY  FIRENENA !


NY TANY MANANA NY HASINY ARY NY VOHITRA MANANA NY FADINY.

TANY MASINA I MADAGASIKARA !

 

DIA HO AN' ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA !


Antananarivo Vohitra masina, 23 Septambra 2022.

Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,
Avy amin' ny Lahimatoan' Imerina,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.



mercredi 14 septembre 2022

FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA SY NY AMBASADAORO DAVID WILLIAM ASHLEY AN' NY FANJAKANA UNITED KINGDOM (2022)

  FIHAONANA 


teo amin ' 


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Avy amin' ny Lahimatoan' Imerina, 

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara


sy 


His Excellency Mr. David William ASHLEY,

Ambasadaoron' ny Fanjakana United Kingdom eto Madagasikara,


Ho


. Fanehoana ny Fiaraha-miory sy ny Fampaherezana ny Fianakavian' ny Mpanjaka sy ny vahoaka ny Fanjakan' i United Kingdom noho ny Fiambohon' ny Mpanjaka Elizabeth II.


. Firariana ho ela velona Ny Mpanjaka Charles III any United Kingdom.


. Fanazavana ny Fifandraisan' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara sy ny Fianakavian' ny Mpanjaka any United Kingdom nandritra ny Telo Arivo Taona mahery (+3000 Taona).


. Fampahatsiahivana ny Fifandraisan' ny Fanjakan' i Madagasikara sy ny Fanjakan' i United Kingdom nanomboka tamin' ny Taona 1817.


. Fijerena ny Ankehitriny ary ny Fanomanana ny Ho avy.


TANY MASINA I MADAGASIKARA!


DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA!


Antananarivo Vohitra Masina, 

Taona Sabotsy, volana Elul, 14 Septambra 2022.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Avy amin' ny Lahimatoan' Imerina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.

dimanche 4 septembre 2022

FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA SY IREO NDRENOGNY ANTAGNALA AO IKONGO SY IFANADIANA (2015-2022)

  FIHAONANA MPANJAKA 


teo amin' 


NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

AVY AMIN' NY LAHIMATOAN' IMERINA, 

LEHIBEN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA,


sy


. NY NDRENOGNY na AMPANJAKA BE AMIN' NY FANJAKANA ANTAGNALA AO IKONGO SY IFANADIANA, 


ary 


. Ny PRINTSY RAZAFITSIANDRAOFA JEAN BRUNELLE, 

FILOHA LEFITRY NY ANTENIMIERAM-PIRENENA, 


. NY BEN' NY TANÀNA SY NY BEN' NY TANÀNA LEFITRA AO IFANADIANA,  


NIARAKA TAMIN' IREO SOLONTENA MPIARA-DIA AMINY AVY,


ho


. FAMPAHATSIAVANA NY TANTARA MIAFIN' I MADAGASIKARA NANDRITRA NY ENINA ARIVO TAONA MAHERY (+6000 TAONA) SY NY RAZAMBE IRAISANA.


. FANAMAFISANA NY FIHAVANANA SY NY FIFANKATIAVANA ARY NY FIRAISANKINA.


. FITODIHANA NY TALOHA, FANDINIHINA NY ANKEHITRINY ARY FANOMANANA NY HO AVY.


. NANAMAFY KOA NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA FA AZO ATAO TSARA NY TSY MAMPAKATRA NY VIDIN' NY SOLIKA SY MBOLA AZO HAMPIDININA AZA ARY MANANA VAHA-OLANA AMIN' IZANY IZY IREO.


. NISY KOA NY FANOMEZANA AVY AMIN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA SY AVY AMIN' NY VONDRONA IRAISANA MIARO NY VAKOKA (VIMVA) AVY ANY AM-PITANDRANOMASINA HO AN' IREO NDRENOGNY ANTAGNALA AO IFANADIANA SY IKONGO. 

 

 

TANY MASINA I MADAGASIKARA !


"... NY MPANJAKA LAHY MANJAKA ARAKA NY FAHAMARINANA ARY IREO ZANAKANDRIANA MITONDRA ARAKA NY RARINY...".


"... MITSANGÀNA, MIHAZAVÀ, FA TONGA NY FAHAZAVANAO, ARY NY VONINAHITR' ILAY MPAHARY EFA MIPOSAKA AMINAO ...".


DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !


Antananarivo Vohitra Masina, 2015, 2021,

ary Ifanadiana, Vohitra Masina, 2022.


NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

AVY AMIN' NY LAHIMATOAN' IMERINA, 

LEHIBEN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA.