mercredi 2 septembre 2020

FANOSORONA NY MPANJAKA RABARIOELINA Ndriana, avy amin' ny LAHIMATOAN'IMERINA, LEHIBEN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA (Taona 2015)

 "... SAMBATRA IANAO, RY TANY, RAHA NY MPANJAKA LAHY DIA ZANAK'ANDRIANA...".


NY SAOTRA, NY DERA, NY FAHENDRENA, NY HERY, NY LAZA, NY TANJAKA ary NY VONINAHITRA, HO AN'ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY 


satria vita soamantsara NY FANOSORONA MPANJAKA nataon' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY, tamin' ny Taona 2015, 

araka ireo TENY FIKASAN' ILAY MPAHARY izay MI-ISA FITO, tao anaty DINGANA FITO nandritra ny TAONA MARO nanomboka tamin'ny Taona 1996, ho an' 


Ny MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

Andriandahy, Andriandray Andriandreny,

Avy amin' ny Lahimatoan' Imerina,

Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Andriana Merina,

Lehiben'ny Fiombonamben'ny Ampanjaka eto Madagasikara,


araka ny Hafatr' ireo Razambe Ny Masina Mpanjaka ANDRIANTOMARA (c.1000 AD), Ny Masina Mpanjaka ANDRIANERINERINA Lahimatoan'Imerina (c.1280-1300 AD) ary Ny Masina Mpanjaka RALAMBO (c.1575-1600 AD), ary tsy maintsy Andriandahy avy amin' izy ireo, avy amin' ny Lahimatoan' Imerina, ao AVARADRANO ZOKIN' IMERINA,


avy amin' Ny Masina Mpanjaka Mpisorona ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA Lahimatoan'Imerina, Tompon' ny Tranomanara, Tranofohiloha sy Tranomasina, ao amin' ny Rova Ambohimalazabe, ary avy amin' Ny Masina Mpanjaka ANDRIANJAKA izay nanorina ny Rova Antananarivo, samy avy ao Avaradrano Zokin' Imerina,


izay nataon' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY teo anatrehan'ireo ZANAKANDRIANA nasaina manokana sady Vavolombelona tao amin'ny ROVA AMBOHIDRABIBY HASIN'IMERINA, ao Avaradrano Zokin' Imerina.


Tao anatin' ireo DINGANA FITO nandritra ny Taona maro ireo :


1 - Ny TENY FIKASAN ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY izay nolazainy mivantana tamin' ny Andriana Raiamandreny am-panahy, Zokiolona indrindra (1918-1998) ny Toby Ankaramalaza, efa nampiakariny im-pito tany an-danitra fahiny, izay nambarany tamin' ny volana Desambra 1996,  

. Voalohany, tamin' Ny Andriana Mpitandrina Daniel RATEFY (1913-1995), Raiamandreny am-panahy lehibe eto amin' ny tany sy ny firenena, Zokiolona, avy amin' Ny Andriantompokoindrindra Lahimatoan' Imerina, efa nitety firenena roambinifolo ambizato (120), ary nambarany ho an' Ny Mpanjaka Ndriana Rabarioelina ny Taona 1981.


. Faharoa, tamin' Ny Mpitandrina RAZAFINDRAKOTO Gabriel, Raimandreny ara-panahy Zokiolona (1919-1986), Taranaka Mpisorona, Andriamasinavalona avy ao Antanamalaza, Fanjakana Merina, nandalina Theology tany Montpellier sy efa tany Suisse sy Israël, izay nahay Tenim-pirenena fito, ary nambarany tamin' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA ny volana Aogositra 1986, 


. Fahatelo, tamin' i Mama VOLAHAVANA Germaine na Mama NENILAVA (1918-1998), Zokiolona Raiamandreny ara-panahy Tobilehibe Ankaramalaza, Taranaka Mpisorona, avy amin' ny Fanjakana Antemoro, nahay Tenim-pirenena roambinifolo, izay efa maty im-pito ary efa nampiakarin' Andriamanitra im-pito tany an-danitra, efa tany United-States of America, France, ary nihaona tamin' ny Mpanjaka Olav V tany amin' ny Lapan' Andriana tany Oslo, Fanjakan'i Norvezy, ary nambarany tamin' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA ny volana Desambra 1996, 


- Fahaefatra, tamin' Ny Andriana Cardinal Armand Gaëtan RAZAFINDRATANDRA, Raiamandreny ara-panahy Zokiolona (1925-2010), avy amin' Ny Andriantompokoindrindra Lahimatoan' Imerina ao Ambohimalaza sy avy amin' Ny Andriamasinavalona, Fanjakana Merina, ary nambarany tamin' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA ny volana Jolay 2007.


. Fahadimy, tamin' Ny Andriambavy RAVOLAZAIMANGA Bernadette (teraka 1932), 91 taona mahery, Raiamandreny ara-panahy, avy ao Ambalavao, Fanjakana Betsileo, Zokiolona indrindra amin' ny Tobilehibe Ankaramalaza sy ny Tobilehibe Manolotrony (FFPM), ary nambarany tamin' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA ny taona 2009-2010.


. Fahaenina, tamin' ny Andriambavy RASOAZANAKOLONA Hélène na Mamafara, Raiamandreny am-panahy Zokiolona (1924-2017) ao amin' ny Toby Namahanambasy-Ambohitompoina (FLM), Fanjakana Ivakinankaratra Imerinatsimo, izay efa maty in-telo ary efa nampiakarin' Andriamanitra in-telo tany an-danitra, ary nambarany tamin' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA ny taona 2012-2015.



. Faha-fito, tamin' ny Andriana Raiamandreny ara-panahy, avy ao Antambohobe, Fanjakana Betsileo, izay nambarany tamin' Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA ny Taona 2016.


2 - Ny FANDRAISANA ANJARA GOAVANA tamin' ny FAMERENENA NY FANDRIAMPAHALEMANA, mba tsy hisian' ny FAMONOANA OLONA FAOBE tamin' ny FAMAHANA ny KRIZY POLITIKA sy ny ADY NIARAKA TAMIN NY BASY AMAN-TAFONDRO, izay nisy Malagasy an-tapitrisa nijaly sy natao fahirano, nisy Malagasy an-jatony nampijalina na naratra na natao fahirano na maty voatifitra, tamin' ny Taona 2002.


3 - Ny FAMETRAHA-TANANA SY TSO-DRANO MANOKANA nataon' Ny Andriana Armand Gaetan Razafindratandra (1925-2010), 80 Taona mahery, avy amin' ny Lahimatoan' Imerina, Zokiolona sady Raiamandreny am-panahin' ny Fianakaviamben' ny Andriana eto Madagasikara, tamin' ny Jolay 2007. 


 4 - Ny FANAMAFISANA NY TENY FIKASAN' ILAY MPAHARY tamin' ny Andriana Raiamandreny ara-panahy Zokiolona indrindra, 90 Taona mahery (1924-2017) tamin' ny Toby Namahanambasy Ambohitompoina Farihimena, izay nampiakarin' Ilay Mpahary in-telo tany an-danitra fahiny, tamin' ny Taona 2012-2015. 


5 - NY FANAMAFISANA NY TENY FIKASAN' ILAY MPAHARY tamin' ny Andriana Raiamandreny ara-panahy Zokiolona indrindra ankehitriny, 90 Taona mahery, teraka tamin' ny Taona 1932 ary nanomoka nanao ny Asan'Andriamanitra tamin' ny Taona 1950, amin' ny Toby Ankaramalaza sady Zokiolona indrindra amin' ny Toby Manolotrony, ary nolazainy tamin' ny Taona 2009-2016.


6 - Marika ny FANATREHANA, ny FANKATOAVANA sy ny FANKASITRAHANA ary ny TSODRANO nataon'ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY Ilay FAHAZAVANA LEHIBE SY MAHERY nidina avy any an-danitra tamin'izany FANOSORANA MPANJAKA teo amin' ny Rova Ambohidrabiby Hasin'Imerina tamin' ny Taona 2015 ary tonga teo aminy naharitra ela, teo anatrehan' ireo Zanakandriana vavolombelona nanatrika izany. FAHAZAVANA LEHIBE SY MAHERY izay AVO FOLO HENY NOHO NY FAHAZAVAN' NY MASOANDRO niposaka maraina avy any Atsinanana, tamin' io fotoana io.

Tsy olombelona mpanota no miantso sy mifidy sy manendry ary mampanao ny Fanosorana Mpanjaka, fa ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY izay mametraka marika sy Famantarana hita maso tsy hain' ny olombelona halain-tahaka !


7 - Ny FAMINDRANA ZAKA SY FANDOVANA FANJAKANA ARY NY FANOMEZANA NY TEHIM-PANJAKANA nataon' Ny Andriana RALITERA Etienne tamin' Ny Andriana RABARIOELINA Ndriana, Lehien' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina, Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara, teo anatrehan' IREO ANDRIANDEHIBE ZOKIOLONA FOTSY VOLO AMIN' NY TANY sy IREO FILOHAN NY FIKAMBANANA ANDRIANA MERINA  ary Ny Ndregnony RAMAHASITRAKARIVO Ampanjaka Be ANTEMORO sy ireo AMPANJAKA Solontena avy any amin' ny Faritra sy ireo ZANAKANDRIANA nasaina manokana.


Koa NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA dia efa nihaona tamin'ny MPANJAKA VAHINY mi-isa ZATO MAHERY avy amin'ny FIRENENA MARO, TANY IVELAN' I MADAGASIKARA,

Ary EFA NANTSOINA HITARIKA IREO MPANJAKA VAHINY mi-isa ZATO MAHERY tany am-pitandranomasina raha nihaona tamin' ny Filoham-pirenena avy any Amerika, Afrika, Europa, ary Afovoany-Atsinanana.


"... MITSANGANA MIHAZAVÀ FA TONGA NY FAHAZAVANAO ARY NY VONINAHITR'ILAY MPAHARY EFA MIPOSAKA AMINAO...".


"... SAMBATRA IANAO RY TANY RAHA NY MPANJAKA LAHY DIA ZANAK'ANDRIANA...".


"... NY MPANJAKA LAHY MANJAKA ARAKA NY FAHAMARINANA ARY IREO ZANAK'ANDRIANA MITONDRA ARAKA NY RARINY...".


"...HOTAHIANA IZAY MANISY SOA ANAO, ARY VOAOZONA IZAY MANAO RATSY ANAO...".


TANY MASINA I MADAGASIKARA !


DIA HO AN'ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA, MANDRAKIZAY MANDRAKIZAY !


Ambohidrabiby Hasin'Imerina, Vohitra masina,

Avaradrano Zokin' Imerina, 

Septambra 2015.