dimanche 30 septembre 2012

FANAMBARAN' NY ANDRIANA TAO MANJAKAMIADANA:




Ny Fihaonamben’ ny Ampanjaka sy ny Zanakandriana eto Madagasikara dia:

1. Manameloka tanteraka ny fangalàrana ny satroboninahitry ny Mpanjakavavy Ranavalona I (1828-1861) sy ny fandoroana ny Lapan’ i Manjakamiadana tamin’ ny 06 Novambra 1995 ary ny famindràna antsokosoko ny taolambalon’ ny mpanjaka tamin’ ny taona 2008 avy tao amin’ ny Rova Antananarivo.

2. Tsy hipetra-potsiny fa hanao fanadihadihana manokana mba hahitàna ny marina rehetra. Ary aoka ho saziana faran' izay mafy indrindra ireo nahavanon-doza nanao izany satria nangaron-dapa (anisan' ny heloka roambinifolo mahafaty).

3. Milaza an’izay manana na mahita iny satroboninahitry ny mpanjaka iny, sy ireo vakoka sarobidy rehetra, mba hamerina izany satria fanànam-pirenena ireny.

4. Manao antso avo amin’ ny Ambanilanitra rehetra, mba tsy hanaonao foana, fa hanaja tanteraka ny hasin’ ny toerana masina sy ny toerana manan-tantara rehetra manerana ny Nosy, indrindra ireo Rovan’ ny Mpanjaka izay manana hasina manokana, ary hanaja toy ny anak’andriamaso ny hasina sy ny soatoavina ary ny kolotsaina maha-izy azy sy mampiavaka azy ny firenentsika.

5. Miantso ny Ambanilanitra rehetra mba hiaro ny vakoka sy ny harem-pirenentsika rehetra manerana ny Nosy.

Manambara koa fa lahara-pahamehana ny fanarenana ny Rovan’ ny mpanjaka rehetra manerana ny Nosy, indrindra ny Rova Antananarivo misy ny Lapan’ i Manjakamiadana, Besakana, Tranovola, Manampisoa, araka ny soatoavina sy ny fomba nentim-paharazana. Koa aoka tsy ho haondrahana any ivelany intsony ny hazo masina sy ny hazo sarobidy rehetra fa hanantanterahana izany.

6. Miantso ny Ambanilanitra hiaro ny tanindrazana, satria efa tafahoatra loatra ny gaboraraka, ny tsy fahamarinana, ny kolikoly, ny fanitsakitsahana ny soatoavina sy ny kolotsainam-pirenentsika, efa lasa tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, efa tafahoatra loatra ary tena mihaom-pampana ny fivarotana tanindrazana amin’ ny vahiny.

7. Miantso ny Zanak’Arivolahy tsy maty indray andro sy ny Ambanilanitra rehetra. Ampy izay ny famiravirana. Aoka tsy handefitra intsony isika manoloana ny fanitsakitsahan’ny vahiny ny tanindrazantsika. Tompony isika fa tsy mpangatak’atiny. Efa eo an-tokonam-baravarana ny fahavalo, koa mitsangàna daholo! Efa tonga ny fotoana, koa atambaro ny hery!


Tany Masina i Madagasikara! Ary isika tompontany dia nantsoin’ Ilay Mpahary ho Fanjakam-Pisorona sy Firenena masina! Ary nantsoin’ ilay Mpahary koa isika handeha amin’ ny Fahamarinana.

"HITAHY izay MANISY SOA anao Aho, fa HANOZONA izay MANOZONA anao..." (Genesisy 1:3)."Dia ho FANJAKA-MPISORONA sy ho FIRENENA MASINA ho Ahy hianareo" (Bokin' ny Eksodosy 19:6), ary “NY FAHAMARINANA MANANDRATRA NY FIRENENA" (Ohabolana 14:34).


Ho an’Andriamanitra Andriananahary, Zanahary, Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany irery ihany ny Voninahitra, ao amin' i Jesoa Kristy, Andriamanitra tonga nofo, Ilay Mpanjakan' ny mpanjaka sy Tompon' ny tompo, ary Fiadanana ho an’ ny olona rehetra izay ankasitrahany!


Antananarivo, vohitra masina, faha-07 Desambra 2011.


Hoy:

Ny Prince Rev. Dr. Ndriana RABARIOELINA,
Filohan’ ny Fiombonamben’ ny Zanakandriana sy Ampanjaka eto Madagasikara.

2 commentaires:

  1. Ce commentaire a été supprimé par l'auteur.

    RépondreSupprimer

  2. : FANAMBARANA:


    Ny FIHAONAMBEN' NY AMPANJAKA SY ZANAKANDRIANA ETO MADAGASIKARA dia manao izao fanambarana izao :


    1) Manameloka tanteraka ireo nampandoro sy nandoro ny Rovan'Antananarivo tamin' ny 06 Novambra 1995, tamin' ny lasantsy kerozene. Ary tokony ho helohina izay rehetra naha-vanon-doza nanao izany, fa tsy azo homena famotsoran-keloka na "amnistie" !

    2) Tokony hatao lahara-pahamehana ny fiarovana ny vakoka sy ny kolotsaina ary ny soataovina eto Madagasikara. Ao anatin' izany dia tokony hatao lahara-pahamehana ny fanamboarana ny Rovan' ny Ampanjaka rehetra manerana an' i Madagasikara !

    3) Tokony harotsaka amin' ny fiarovana ny vakoka sy ny soatoavina ary ny kolotsaina ny am-paha-folo oops%) ny famatsiam-bola rehetra miditra sy ny harena miditra na mivoaka eto amin' ny firenena, indrindra ireo harena avy amin' ny orinasa mitrandraka solika, vatosoa, illmenite, nickel, cobalt sy ny sisa rehetra !

    4) Tokony vitaina haingana ny Fanamboarana ny Rovan'Antananarivo, izay mariky ny Fahaleovantenam-pirenena sy ny Firaisam-pirenena ary ny Fiandrianam-pirenena, ary ao anaty Fanajàna tanteraka ny soatoavina sy ny kolotsaina malagasy.

    Noho izany, tokony orinasa malagasy izay tantànan' ny malagasy no manao ny fanamboarana rehetra amin' ny Rovan'ny Mpanjaka rehetra, indrindra ny Rovan'Antananarivo !

    5) Miantso ny malagasy rehetra manerana ny Nosy mba hiaro ny tanin' ny razana, ny tenin-drazana, ny vakoka sy ny kolotsaina ary ny soatoavina malagasy, maha-izy azy antsika, ary indrindra koa ny harenam-pirenena mba tsy ho lasan' ny vahiny intsony !

    6) Manao antso avo izay rehetra manana vakoka sy harena sarobidy tao amin' ny Rovan'Antananarivo sy tao amin' ny toerana hafa, mba hamerinaNizany, indrindra ny Satroboninahitry ny Mpanjaka Ranavalona, satria fanànan' ny firenena iray manontolo ireny !

    7) TANY MASINA I MADAGASIKARA!

    Ho an' Andriamanitra Andriananahary irery ihay ny Voninahitra !

    Manjakamiadana,
    Antanananarivo, Vohitra Masina,
    Faha-06 novambra 2012.


    N.A. Rev. Dr. Ndriana RABARIOELINA,
    Filohan' ny Fihaonamben' ny Ampanjaka sy Zanakandriana eto Madagasikara.

    RépondreSupprimer