mardi 25 septembre 2012

NY LAPAN' I MANJAKAMIADANA MARIKY NY FIANDRIANAM-PIRENENA DIA TSY MAINTSY MIJORO SY HAMIRAPIRATRA INDRAY !

:

Madagasikara, Tany Masina, dia efa nànana ny Fahaleovatenam-pirenena sy ny Fiandrianam-pirenena talohan' ny fanjanahantany. Ary efa anisan' ny firenena lehibe sy matanjaka indrindra teto amin' ny Ranomasimbe Indiana sy Afrika izy tamin' ny Taonjato faha-19, ary mbola natanjaka noho i Japana talohan' ny vanim-potoanan' ny Emperora Meiji.

Ireo Andriana manjaka teto Imerina sy teto Madagasikara dia nampandry ny tany sy ny firenena noho ny ady tsy nisy farany teo amin' ny vahoaka sy teo amin'ny foko isan-karazany, ary nanambatra ireo fanjakana isam-poko ho fanjakana iray lehibe. Vokatr'izany, ny Rovan' Antananarivo dia mariky ny fahaleovantenam-pirenena sy ny Firaisam-pirenena ary ny Fiandrianam-pirenena.

Nisy nandoro tamin'ny 06 Novambra 1995 ny Rovan'antananarivo, izay nisy ny Lapa Besakana, Manhitsielafanjaka, Tranovola, Manampisoa sy ny Lapan'i Manjakamiadana, miaraka tamin' ny Fasana Fitomiandàlana, ary ireo Fasan' ny Mpanjakalahy sy Mpanjakavavy.


Iza no nandoro ny Lapan' i Manjakamiadana ? Raha ny tantara no jerena dia efa tamin' ny taona 1642 ny frantsay no tia hanjanaka an' i Madagasikara. Ary tamin'ny Konferansa tany Berlin tamin' ny taona 1885 dia nanapa-kevitra ireo firenena vazaha tandrefana efatrambinifolo fa hizara sy haka an' i Afrika sy Madagasikara.

Ho tohin'izany dia vazaha frantsay repoblikana mpanjanantany vaovao, niaraka tamin' ny karana sy malagasy mpamadika tanindrazana, no nampandoro sy nandoro ny Rovan'Antananarivo, tamin' ny lasantsy kerozene, tamin' ny 06 Novambra 1985.


Noho izany, ny Fihaonambe ny Ampanjaka sy ny Zanakandriana eto Madagasikara dia manao zao fanambarana izao: Voaozona izay rehetra nampandoro sy nandoro ny Rovan' Antananarivo sy ireo izay rehetra tsy manaja ny soatoavina ary ny kolotsainan' ny Ampanjaka sy ny firenena, ary koa ireo rehetra nandroba na mandroba ny harem-pirenena rehetra eto Madagasikara.

Hotahina kosa izay rehetra manaja ny soatoavina sy ny kolotsainan'ny Ampanjaka sy ny firenena, sy miaro ny harenam-pirenena ary ny tontolo iainana eto Madagasikara.

Fa ny Rovan' Antananarivo dia tsy maintsy mijoro sy hamirapiratra indray, ary tsy misy afaka ahasàkana izany !


TANY MASINA I MADAGASIKARA !


Hoy ny Tenin'Andriamanitra Andriananahary: "HOTAHINA izay rehetra MANISY SOA ANAO, fa HOZONINA kosa izay rehetra MANOZONA ANAO" (Genesisy 12:3)


Antananarivo, Vohitra Masina, faha-06 Novambra 2011.


Ny Prince Rev. Dr. Ndriana RABARIOELINA,
Filohan' ny Fiombonamben' ny Zanakandriana sy Ampanjaka eto Madagasikara.

1 commentaire:

  1. : FANAMBARANA MIKASIKA NY LAPAN' I MANJAKAMIADANA:


    Ny Ny FIHAONAMBEN' NY AMPANJAKA SY ZANAKANDRIANA ETO MADAGASIKARA dia manao izao fanambarana izao :


    1) Manameloka tanteraka ireo nampandoro sy nandoro ny Rovan'Antananarivo tamin' ny 06 Novambra 1995, tamin' ny lasantsy kerozene. Ary tokony ho helohina izay rehetra naha-vanon-doza nanao izany, fa tsy azo homena famotsoran-keloka na "amnistie" !

    2) Tokony hatao lahara-pahamehana ny fiarovana ny vakoka sy ny kolotsaina ary ny soataovina eto Madagasikara. Ao anatin' izany dia tokony hatao lahara-pahamehana ny fanamboarana ny Rovan' ny Ampanjaka rehetra manerana an' i Madagasikara !

    3) Tokony harotsaka amin' ny fiarovana ny vakoka sy ny soatoavina ary ny kolotsaina ny am-paha-folo (10%) ny famatsiam-bola rehetra miditra sy ny harena miditra na mivoaka eto amin' ny firenena, indrindra ireo harena avy amin' ny orinasa mitrandraka solika, vatosoa, illmenite, nickel, cobalt sy ny sisa rehetra !

    4) Tokony vitaina haingana ny Fanamboarana ny Rovan'Antananarivo, izay mariky ny Fahaleovantenam-pirenena sy ny Firaisam-pirenena ary ny Fiandrianam-pirenena, ary ao anaty Fanajàna tanteraka ny soatoavina sy ny kolotsaina malagasy.

    Noho izany, tokony orinasa malagasy izay tantànan' ny malagasy no manao ny fanamboarana rehetra amin' ny Rovan'ny Mpanjaka rehetra, indrindra ny Rovan'Antananarivo !

    5) Miantso ny malagasy rehetra manerana ny Nosy mba hiaro ny tanin' ny razana , ny tenin-drazana, ny vakoka sy ny kolotsaina ary ny soatoavina malagasy, maha-izy azy antsika, ary indrindra koa ny harenam-pirenena mba tsy ho lasan' ny vahiny intsony !

    6) Manao antso avo izay rehetra manana vakoka sy harena sarobidy tao amin' ny Rovan'Antananarivo sy tao amin' ny toerana hafa, mba hamerina izany, indrindra ny Satroboninahitry ny Mpanjaka Ranavalona, satria fanànan' ny firenena iray manontolo ireny !

    7) TANY MASINA I MADAGASIKARA!


    Ho an' Andriamanitra Andriananahary irery ihay ny Voninahitra !


    Manjakamiadana,
    Antanananarivo, Vohitra Masina,
    Faha-06 novambra 2012.


    N.A. Rev. Dr. Ndriana RABARIOELINA,
    Filohan' ny Fihaonamben' ny Ampanjaka sy Zanakandriana eto Madagasikara.

    RépondreSupprimer